NY MPITONDRA SY NY ASA MENDRIKA

Asa mendrika no tanjona saingy hatreto aloha izany
Dia toa teniteny foana sy karaza-nofy ihany,
Fa mampanantena lava ny mpitondra fanjakana,
Saingy hatreto izay nambara tsy navadika ho lalàna!

Raha vao mba miseho vahoaka dia indreo tsy mahazaka,
Fa tsy mahafehy ny vavany ka mampiaiky ry ilaiàka!
Ny hany masaka ao an-tsainy dia ny hibontsika, hirehaka,
Ka mampanantena volana mba ho fitadiavan-tehaka!

Tsy voalanjany mihitsy irony teny izay ambarany,
Ary tena ny mandainga no indro lasa fahazarany!
Soa fa mitadidy anefa ireo izay mihaino ny kabariny,
Ka dia maro no efa tofoky ny lainga sy ny azariny!

…Ka raha ’reo no mbola hijoro sy hiseho hampanantena,
Dia tsy hisy asa mendrika antenain’ny firenena,
Fa dia asa manambany no vao mainka hahazo vahana,
Noho ny ataon’ireo mpitondra efa tena lany fahana!

TSIMIMALO (07-10-22)