EDITO 20 Septambra – Ilaina ny fifampiresahana – Miaina fijaliana sy fahantrana manara-penitra ny Malagasy

Rina Rabemananjara

Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ankehitriny. Ny olana eto amin’ny Firenena anefa dia ny mpitondra ihany sisa no mahasahy milaza fa tsy misy krizy eto, ka izay no mahatonga azy tsy te hifampiresaka amin’ny mpanao politika mpanohitra. Ny mahatonga ny fiainam-pirenena mandeha any amin’ny tsy alehany dia satria tsy mahalala akory izay olana tena sedrain’ny vahoaka ny fitondrana. Ny sehatra rehetra na ny eto na ny any ivelany dia efa samy vaky vava, fa tafiditra anaty krizy daholo ny sehetra rehetra, fa ny fitondrana ihany no minia mikimpy tsy mahita izany.

Miaina ao anaty fijaliana sy fahantrana manara-penitra ny Malagasy, ka izany no tokony hirosoana amin’ny fifampiresahana. Nanao antso daholo ny sehatra iraisam-pirenena sy ny raimandreny eto an-toerana fa tsy miraharaha ny fitondrana. Manao ny andraikiny amin’ny fanazavan-kevitra ihany koa ny antoko politika saingy raisiny ho tsy fitiavana azy izany. Izay rehetra maneho hevitra dia lazainy fa manozongozona ny sezany, ka izany no mahatonga azy tsy mba mahay mihaino nefa fiainam-pirenena no resahana. Ny tena marina anefa dia ny sezany no efa mihozongozona, noho ny tsy fahaizany mitantanana dia mahana tsy enjehina ry Rajoelina sy ny forongony.