Tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra – Mandalo fotoan-tsarotra ny tokantrano Malagasy

Helisoa

Mandalo fotoantsarotra ny tokantrano Malagasy amin’izao fotoana, vokatry ny tsy fahaizan’ny mpitondra ankehitriny, izay variana amin’ny rendrarendra, fa tsy mba mijery ny fahoriana sy ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano Malagasy. Tena efa mampiteny ny moana mihintsy ny zavatra hita ankehitriny. Ny hiafaràna dia hifampihinana antoerana angamba ny Malagasy, hoy ny resaka mandeha etsy sy eroa.

Efa tsapa izany manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, izay tsy misy fitsaharany fa dia vono olona atsy, vono olona aroa. Tsy an-tanàn-dehibe sy ambanivohitra fa dia mandry tsy lavo loha ny rehetra. Tena mahantra ny Malagasy e! Mba azontsika an-tsaina ve, fa maro ireo malagasy tsy mahavidy na tsy mahita ho arapaka intsony? Betsaka no indray mandeha isan’andro sisa no mba misakafo, ary amin’izany aza vary iray kapoaka atao sosoa no zarain’ny olona 5 mianaka. Fantatsika ve, fa maro ary mitombo isan’andro, ny olona marary tsy mahavidy fanafody, ary ireo mitaiza aretina toy ny fiakaran’ny tosi-drà sy diabeta dia lasa mampiasa toro hevitra amin’ny tongolo gasy sy ny zavatra hafa sisa. Betsaka ary tena maro amin’izy ireo anefa no lasa nodimandry noho ny tsy fahafahana mividy sy mitsabo tena.

Azonareo an’eritreritra ve, ny fahorian’ny ray aman-dreny tsy afaka mampianatra an’ireto zanany, noho ny tsy fahatakarany ny vidin’ny kojakoja entina mianatra sy ny saram-pidirana mianatra. Betsaka ireo mpianatra no tsy manana fitaovana toy ny kiraro entina manao fanatanjahantena. Ny kapa entina mianatra aza, efa asiana paingotra, ny akanjo vasoka tsy miova mihintsy mandritra ny herinandro.

Etsy ankilan’izany anefa dia miaina tsy mahatsiaro fahasahiranana ireo zanaky ny mahitahita, indrindra ireo akaiky vilany feno arina, izay aterina sy alaina amin’ny fiara tena raitra 4×4 maraina sy hariva. Ny tena tsy rariny aza, dia ny mahita ny fandanindaniam-poana ataon’ny fitondrana amin’ny resaka werawera, na fisehosehoana, kanefa ny sosialim-bahoaka tsy misy tokontaniny. Izay no mahatonga ny olom-pirenena rehetra afa-tsy ny mpitondra ankehitriny ihany hilaza hoe ilaina ny fifampiresahana, tsy resaka seza akory fa fifampidinihana hijerena miaraka ny hahasoa ny firenena, izay latsaka ankaterena ankehitriny. Firenena hikambanana ity hoy ny FFKM nandritra ny fotoampivavahana tao amin’ny Ekar Md Misely ny sabotsy lasa teo, ka ilaina ny fifankatiavana. Ilay fifankatiavana anefa tsy ho vitan’ny mpitondra irery, na ny mpanohitra, na ny fiarahamonim-pirenena, fa ny rehetra no tsy maintsy mampihàtra azy vao ho tanteraka izany fifankatiavana izany.

Raha ny zavatra hita aloha hatreto dia manakatom-baravarana, mba tsy hisian’ny fifampidinihana eto amin’ny firenena ny mpitondra ankehitriny. Ny fantany dia mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena, fa tsy misy krizy izany. Ny mpitondra moa tsy mahatsapa izany satria ny azy aloha tsy misy krizy eto, fa tena mandeha tsara ny fiainany. Dia ho hita eo ihany ny ho tohiny, fa dia io efa mipoitra andro aman’alina io ny adalàna ataon’ny mpitondra, ka na hosaronana ohatra ny inona aza dia inoana fa tsy maintsy mbola hipoaka tsy ho ela.