IZAY FILOHANAY IZAY!

Aiza ny teleferika ry filohanay hajaina,
Fa toa ela ny figadony ka dia mahalasa saina.
Moa mitohy ny nofinofy sy karazan-daingalainga,
Fa ny tetikasa, hatreto, toa tsy misy mbola miainga?

Aiza koa ny puce n’omby izay natao angoatenda,
Fa dia maro no sodoka sady toa nilendalenda.
Sa nijanona ho hira nisintonana mpandalo,
Ka vao mainka koa mandihy mifalihavanja ireo dahalo?

Aiza ho aiza ihany koa ny fananganana tetezana,
Dia ilay hoe mihevaheva f’efa zary ihomehezana!
Ampasika sy Anosizato, mafy anie ny fitohanana,
Sa tsy hetsehina indray raha tsy efa akaiky fifidianana?

Ary ny amin’ny fampiakarana ireo karama ambany indrindra,
Moa ve tena fampiesonana fa hatreto tsy mirindra?
Teny foana sy kabary, tsisy didy fampiharana,
Nefa dia ny mpiasa hatrany no atao tohatra fiakarana!

Toamasina ho Miami, Ambato havadika ho Parisy?
Tena hevi-jazakely fa izany aloha tsy hisy!
Ka izay mety ho revin-gadra, aleo hivalona ho tantara,
Fa tsy nofy no hitantanana an’i Madagasikara!

…Izany ilay filohantsika raha miteny sy mitafa.
Mitomany irony randrana ‘zay manendrika ny hafa!
Hala-tahaka no tiany, hala-tahaka no maminy,
Ka tsy ho ela dia ho foana izay mba “gasy” mbola ao aminy!

TSIMIMALO (15-09-22)