Angôvo – Tsy ampy ny tahirin-tsolika amin’ny RN4, RN7, RN34

Niaina

Sahirana amin’izao fotoana ireo mifamoivoy mampiasa ny lalampirenena faha-4 (RN4), ny lalampirenena faha-7 (RN7), ny lalampirenena faha-34 (RN34) noho ny tsy fahampian’ny tahirin-tsolika amin’ny toerana mihazo an’i Mahajanga, mihazo an’Antsirabe, ny mihazo an’i Morondava. Be ireo tafahitsoka any an-toerana noho ny tsy fisian’ny solika, toy ny gazoala, na misy aza dia filaharambe izany. Nijery vahaolana ny tompon’andraikitratry ao amin’ny ministeran’ny Angôvo sy ny Akoranafo, hamahana ny tsy fahampiana solika eo anivon’ny mpaninjara JOVENA, satria hita fa tsy ampy ny tahiry amin’ny lalampirenena faha-7 sy faha-4 ary faha-34 iny. Noho izany dia misy kamiao nalefa hanampy ny tahiry any an-toerana, misy ny firaisankina eo amin’ ireo samy mpaninjara solika amin’izany. Arak’izany hoy ny tompon’andraikitra, tsy tokony hikoropaka ny rehetra satria ampy mandritra ny 25 andro ny tahirin-tsolika misy eto Madagasikara ary efa misy ny sambo ho tonga ihany koa amin’ny faran’ny volana aogositra.