Fanampiana Fiangonana – Fitadiavana dera sy fanafenana kilema ny an-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Tsy nianiana tamin’ny Baiboly toy ny nataon’ireo Filohampirenena nifandimby tao anatin’ny 60 taona, rehefa nandray ny fitantanana ny Firenena Rajoelina Andry ny 19 Janoary 2019, satria ”laika” hono ny Repoblikan’i Madagasikara. Araka izany dia tsy mitsabaka amin’ny raharaham-piangonana ny mpitondra ary tsy manao politika pôlitisiana ny Fiangonana fa manelanelana kosa amin’ny fifanolanana sy disadisa misy eo amin’ny samy mpino, ny fampihavanana sy fikatsahana ny mahasoa ny mpiray Firenena no imasoany.

Tao anatin’ny herinandro roa na telo izao dia niaraha-nahita ny fifandrafiana eo amin’ny samy mpino ao amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Ny tranga dia toa mitovy amin’ny fiainana eo amin’ny sehatra politika no misy ao amin’ity Fiangonana ity, satria disadisa eo amin’ny fifidianana no niandohan’ny fifanolanana. Nanangana komity nikarakara ny fifidianana izay ho filankevi-pitantanana no niandohan’ny disadisa, satria tsy neken’ny mpino sasany ny voka-pifidianana navoakan’ny komity satria feno hosoka, hono. Nirotsaka an-tsehatra ny depiote iray ka tsy mazava moa na nitady vahaolana ity mpanao politika ity na niandany, ka tsy nety niravona ny toe-draharaha.

Nitory ireo nitaky ny namerenana ny fifidianana kanefa dia nanambara ny tao anivon’ny prefektiora eto an-drenivohitra fa tsy haverina ny fifidianana. Niha-nafana anefa ny toe-draharaha ka niafara tamin’ny fifandonana mahery vaika ny faran’ny herinandro teo. Lasa toy ny raharaha eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao ny ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana, izay lasa misy krizy aorian’ny fifidianana (crise post-électorale). Etsy ankilany dia niaraha-nahita ny fotoam-pivavahana tao amin’ny “Palais des Sports” tao Mahamasina, izay natrehan’ny filohan’ny Repoblika. Raha ny tsapa tety ivelany dia tena lasa mpivavaka tsy misy toa azy ny filohan’ny Repoblika satria nadohalika mihitsy. Ho an’ny Firenena rahateo no nanaovana ny fotoam-pivavahana ka nanara-penitra tokoa ny fihetsiny. Tsy vitan’izay fa mimpi-maso amin’ny Fiangonana Rajoelina Andry, ka nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny JMJ Katôlika izy tany Antsirabe. Nanolotra volabe zato tapitrisa ariary ho an’ny KTLM (Kristiana Tanora Loterana Malagasy) ary fiara tsy mataho-dàlana ho an’ny Filohan’ny FLM. Ny Filoha Ravalomanana Marc no nanao toy izany nandritra ny nitantanany ny Firenena, saingy tsy nimpi-maso izy tamin’izany satria olona tena mivavaka tokoa ary tsy nanafenany kilema sady tsy nitadiavany dera no nanaovany izay fanampiana nataony tamin’ny Fiangonana.

Fantatry ny filohan’ny Repoblika tsara fa efa ny antsasa-manilan’ny Malagasy dia Kristiana, ka mampiasa ny maha tompondaka azy amin’ny fanodinana ny saim-bahoaka ho any aminy indray izy amin’izao herintaona mahery kely mialohan’ny fifidianana izao. Niaraha-nahalala fa tsy nahasakana ny faharesen’ny Barea teo amin’ny ampahefa-dàlana ny nivavahan-dRajoelina Andry tany amin’ny trano fidiovana. Tsy ilaina ny mampiseho izay ataonao fa, “midira ao amin’ny efitranonao dia harindrino ny varavarana, ka mivavaha ao amin’ny mangingina.” Aza manao toy ny Fariseho izay eny an-dàlambe no mivavaka, mba ho hitan’ny olona kanefa fihatsarana ivelan-tsihy sy fisehosehoana fotsiny no anaovany izany.