Morondava faritra Menabe – Tsy nisy niraharaha ny fahatongavan’ny filohan’ny HCC tany

Rajepa

Ny alakamisy faha-11 Aogositra 2022 teo dia tonga tany Morondava faritra Menabe ny filohan’ny HCC (Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana), Florent Rakotoarisoa, rehefa nahazo fanasana hiatrika ny fitokanana ny Centre Eco-Touristique du Menabe, sy ny fanombohan’ny Jeux du Menabe, izay karakarain’ny Menabe connexion. Toy ny mahazatra moa dia rehefa misy filohana andrimpanjakana na mpikambana ao amin’ny governemanta tonga any an-toerana dia tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina avokoa ireo solontenam-panjakana ao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe mandray sy manome voninahitra ny vahiny. Ny nahagaga anefa tamin’ity dia tsy nisy afa-tsy manamboninahitra iray no tonga nitsena azy teny amin’ny seranam-piaramanidina, eny fa na dia ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’i Morondava aza dia tsy hita teny.

Ny fanadihadiana izay natao, no nahalalana fa ny sasany tamin’ireo STD dia niaraka tamin’ny governoran’ny faritra Menabe namonjy ny famaranana ny Fitampoha tany Belo sur Tsiribihina ary ny sasany kosa niaraka tamin’ny Prefet, namonjy lanonam-pianakavian’ny minisitra Tinoka Roberto tany Mandabe, nefa na dia izany aza dia tokony ho nandefa solontena izy ireo, fa ahian’ny maro ho noho Andriamatoa Hawel no nanasa azy, no tsy nanotronan’ireo olom-panjakana ity filohana andrim-panjakana ity, noho ny tsy fifankahazoana misy eo amin’ity farany sy ny minisitra Tinoka Roberto.

Izao fihetsika izao dia manambara, fa efa mikorontana tanteraka ireo samy ao amin’ny fitondrana ary tsy misy intsony ny fifanajana eo amin’ireo samy olom-boatendry sy olom-boafidy. Azo tarafina amin’izany, fa tsy misy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ireo samy mpitondra fa ekipa ekipa no misy ao.