Filoha Marc Ravalomanana – Halohalika ny ranom-bary, ilaina ny fifampidinihana

Nangonin’Isambilo

Nanao fanambarana ny filohan’ny mpanohitra sady filohan’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana afak’omaly:

“Manoloana ny fanomanana ireo fifidianana ho tanterahina eto amintsika dia manao ireto fanambarana ireto izahay:

Mikasika ireo lalàna mifehy ny fifidianana

Samy efa nanambara ny tsy fahalavorarian’ireo lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika avokoa na ny antoko politika, na ny firaisamonim-pirenena na ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana, izay nampiasa ireo lalàna ireo nanatanterahana fifidianana dimy nandritra ny taona 2018-2019-2020, eny fa na ny fiombonambe iraisam-pirenena aza dia efa nilaza ihany koa fa tokony hahitsy, sy ho hatsaraina ireo lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika ireo, mialohan’ny hanatanterahana ny fifidianana rehetra ho avy. Ny ankamaroan’ny malagasy dia tsy mahafantatra ny votoatin’ireo lalàna mifehy ny fifidianana ireo, ka tsy afaka ny manara-maso sy mandray andraikitra manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna miseho mialoha, mandritra sy aorian’ny fifidianana. Betsaka ihany koa ireo didimpanjakana fampiharana ireo voalazan’ny lalàmpifidianana no mbola tsy noraisina sy tokony hahitsy. Samy efa nanolotra sosokevitra avokoa ny rehetra, ho fanatsarana ny lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika kanefa dia tsy misy hatramin’izao ny finiavana avy amin’ny mpitondra fanjakana hanatsara ireo lalàmpifidianana ireo.

Momba ny lisitry ny mpifidy

Tsy hahafahana hametraka fomba fiasa mangarahara sy andraisan’ny rehetra anjara ireo fepetra voalazan’ny didimpanjakana noraisin’ny governemanta, sy ny fandaminana napetraky ny Ceni hitondrana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Tsy mbola tanteraka ny fifidianana ireo sefom-pokontany sy ny lefiny mifanaraka amin’ny didimpanjakana mifehy ny fokontany kanefa izy ireo no ho tompon’andraikitra voalohany eny ifotony, ka tokony ho olona hananan’ny mpifidy fitokisana, ka afaka ny hanentana ny rehetra handray anjara amin’izany fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izany. Ireo voalaza ireo, miampy ny zava-misy feno fahasahiranana mandritra ny fotoana hanatanterahana ny fanisana ny mpifidy isan-tokantrano (fahantran’ny vahoaka, tsy fandriampahalemana, fahavaratra sy ny maintso ahitra sns…) sy ny tsy fahatokisan’ny olona intsony ny mpitondra sy ny rafitra mikarakara ny fifidianana eto amintsika, dia tsy hitondra faharisihana sy fandraisan’anjaran’ny rehetra, ka tsy hahazoana lisi-pifidianana madio sy ahitana ny anaran’ny mpifidy rehetra (14 tapitrisa).

Mikasika ireo rafitra mitantana sy mitsara ny fifidianana

Tsy azo antoka ireo rafitra mitantana sy mitsara ny fifidianana eto amintsika satria :
• Tsy mahaleotena na ara-pitantanana na ara-bola.
• Mitanila sy miandany ny mpikambana ao aminy.
• Tsy manana fahefana feno handray fepetra manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna mitranga mialoha, mandritra sy aorian’ny fifidianana.
•Tsy manana fomba fiasa mangarahara sy andraisan’ny rehetra anjara.

Ireo tsy fanarahan-dalàna miseho

• fanaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana.
• fampiasana ny volam-panjakana, fananam-panjakana ary ny mpiasam-panjakana amin’ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana.
• fanakatsakanana ny antoko mpanohitra tsy hanatanteraka ny andraikitra apetraky ny lalàna aminy, amin’ny fanentanana ny fiainana ara-politika eto amin’ny firenena (art. 55 loi org n°2018-008).

Noho ireo antony rehetra ireo dia ambaranay fa tsy hahafahana hanatanteraka fifidianana madio, handraisan’ny rehetra anjara ary hanome vokatra eken’ny rehetra ny tontolo manodidina misy anomanana ny fifidianana ankehitriny, ka tsy maintsy ilana fanitsiana sy fanatsarana.

Fehiny :

Noho ireo antony rehetra ireo, sy manoloana ny fahasahiranana mafy mianjady amin’ny vahoaka ary ny fikorontanana miseho manerantany ankehitriny, mba handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fanavotana sy fampandrosoana ny firenena, mba hisian’ny fitoniana ara-politika, mba hahafahana manomana fifidianana madio, handraisan’ny rehetra anjara ary hanome vokatra eken’ny rehetra, dia manamafy izahay, fa ny fifampidinihan’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena ihany no vaha-olana hamafisinay, fa ny fanomanana fifidianana madio, handraisan’ny rehetra anjara ary hanome vokatra eken’ny rehetra dia mila ireto manaraka ireto :

– fananana lisitry ny mpifidy azo antoka, madio ary ahitana ny anaran’ny olom-pirenena manan-jo tokony hifidy rehetra,
– fananana lalàna feno, mirindra, azo ampiharina ary fantatry ny vahoaka,
– fananana rafitra azo antoka, manana fahefana feno, mahaleo tena sy andraisan’ny rehetra anjara hitantana ny fifidianana ao anatin’ny mangarahara tanteraka

noho izany dia tokony :

– horaisina ny fepetra rehetra handraisan’ny rehetra anjara amin’ ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy,
– atsangana ny komitim-pokontany voafidin’ny fokonolona.
– havaozina, hatsaraina ary fenoina ireo lalàna mifehy ny fifidianana,
– avoaka ireo didim-panjakana fampiharana ireo lalàna mifehy ny fifidianana.
– havaozina ireo rafitra hitantana ny fifidianana.
– hazavaina amin’ny vahoaka ireo lalàna sy didim-panjakana hifehy ny fifidianana.

Noho izany, manao antso avo ho an’ny rehetra izahay, mba handray ny andraikitra tandrify azy avy hanatanterahana ny fikaonandohampirenena mifanaraka amin’izao volavola-tetiandro arosonay izao :

• septambra 2022 :
– fikaonan-dohampirenena handraisan’ny rehetra anjara handraisana ny sosokevitra,
– fananganana ny vaomiera manokana handravona ny hevitra nivoaka nandritra ny fikaonandohampirenena,
• oktôbra 2022 :
– fandrafetana sy fandaniana eo amin’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra ireo volavolan-dalàna sy didim-panjakana niainga avy amin’ireo hevitra nivoaka tamin’ny fikaonandohampirenena,
• Novambra 2022 :
– fandaniana ireo volavolan-dalàna eny amin’ny antenimiera roa tonta.
• janoary 2023 :
– famoahana hanankery ireo lalàna hataon’ny filoham-pirenena
• febroary 2023 :
– fanombohan’ny fanazavana amin’ny vahoaka ireo lalàna, didimpanjakana sy fepetra noraisina.

Manao antso manokana ho an’ny raiamandreny ara-panahy sy ny fiombonambe iraisam-pirenena izahay, handray ny andraikitra manandrify azy ireo avy, hanatanterahana izany fifampidinihan’ny rehetra izany satria alohalika ny ranonombary ka :
” ny tondro tokana tsy mahazo hao, akanga maro tsy vakin’amboa ary ny hevitry ny maro mahataka-davitra. “