Tsy voafehin’ny fitondrana Rajoelina ny resaka fitaterana

Ny Valosoa

Efa iaraha-mahalala fa niakatra ny vidin’ny solika, mazava ho azy fa tsy maintsy hiakatra miaraka amin’izay koa ny sarandalana, ny any amin’ny zotra reziônaly sy nasiônaly dia nampiakatra ny azy tsy nisy nidiran’ny fitondrana,fa ny sarandalan’ny taksibe eto andrenivohitra no nahitana ny fitsabahan’Ingahy Filoha Rajoelina, tamin’ny alalan’ny fihaonana tsy nisy sakafo tamin’ireo filohan’ny kaoperativa mpitatitra, izay marihina fa ny fihaonan’Ingahy filoha tamin’ireo tompon’andraikitrin’ny orinasa misehatra amin’ny solika dia nisy ny sakafo naroso. 600 ariary ny sarandalana nivoaka taorian’ny fihaonan’Ingahy filoha tamin’ireo mpitarika kaoperativa, andro vitsy monja taorian’io anefa dia efa nisy indray ireo mpitatitra nampiakatra ny sarandalana ho 800 ariary, ny fanazavana nentin’izy ireo dia tsy ny vidin’ny solika ihany no niakatra, fa midangana be koa ny vidin’ireo kojakoja fanolo amin’ny fiara, indrindra fa ny vidin’ny kodiarana, ary ny lalana eto Antananarivo Renivohitra dia efa potika tanteraka, ka manimba fiara, nampanantena kosa ireo nampiakatra ho 800 ariary fa tsy hisy ny seza volamena.

Fa nanaitra ihany koa ny fanazavana nentin’ny firaisamonimpirenena Rohy, izay sahy namaky bantsilana ny zava-nitranga nandritran’ny fihaonana tamin’Ingahy Filoha, ka nilazan’ny Rohy fa nahazo fanasana ry zareo tamin’ny fihaonana, saingy tsy navela nahazo fitenenana, ka inona moa izany fa tsy kabary tsy valiana ny fiantsoana olona teny andapa nataon’Ingahy Filoha.

Ny minisiteran’ny fitaterana sy ny Kaomina Antananarivo Renivohitra dia namoaka fanambarana fa sarandalana tokana ihany no ekena dia ilay 600 ariary, kanefa dia misy ireo tsy manaraka izany fa samy manao izay saimpantany, Ingahy Minisitra rahateo tsy dia andrenesampeo f’angamba ny sehatrin’ny fitaterana an’habakabaka ihany no manavanana azy, satria na ny raharaha Smmc izay misahana ny entana ao amin’ny serantsambon’i Toamasina, izay mahavoarohirohy an’ilay Madamabe arakin’ny filazan’Ingahy minisitra azy aza, toa tsy hita izay afitsony, kanefa dia nisy tokoa ny tsy ara-dalàna tao amin’i Smmc io. Ilay Ben’ny Tanàna vazahabe moa na ny taksimoto tsy nankatoavin’ny Filankevitrin’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, tsy misy ny fandraisany andraikitra avy aminy, fa vao mainka manohy ny gaboraraka, ary matoa ireo kodiarandroa mbola afaka miasa na dia tsy ara-dalàna aza dia Ingahy Mera vazahabe mihitsy no manome vahana azy, noho ny fankahalana an’i Clemence Raharinirina.

Ny fehin’izay voalaza rehetra izay dia fihetsiketsehana ivelany ny an’ny fitondrana, fa tsy voafehin’izy ireo tanteraka ny lafiny fitaterana.