Fitaterana – Ho 700 Ar indray ny saran-dalana hoy ireo taksibe

Niaina

Nanambara indray ireo mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra fa 700 Ar indray, ny saran-dalana heverin’izy ireo hampiharina eto Antananarivo ary izany dia hanomboka anio. Io no tapaka nandritra ny fivoriambe nataon’ny mpitatitra FMA sy UCTU, niaraka tamin’ny solontenan’ny mpanjifa omaly. Io ihany koa no marimaritra iraisana farany azo hiafiana hoy ireo mpitatitra.

Miandry ny antson’ny fanjakana indray izy ireo. Miandry ihany koa izay ho lzain’ny ministeran’ny fitaterana. Mahakasika ity resaka fitaterana ity, tena mizaka ny tsy eran’ny intsony ireo mpanjifa amin’izao fotoana, ka asa ihany izay hiafaran’izy ity?

Tokony haverina ho 600 Ar iszay saran-dalana izay manomboka anio araka ny nambaran’ny ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny mpitandro filaminana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Ho hita eo ihany ny ho tohin’izany rehetra izany.