TIM 20 taona: minoa, sahia, mijoroa – Haka fahefana, hitondra vahaolana maro amin’ny marary ny vahoaka

Nangonin’Isambilo

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy teo, ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny 3 jolay no tena feno 20 taona ny TIM, fa naroso sabotsy ny fanombohana ny fanamarihana. Nitarika izany ny filoha mpanorina, sady filoha nasiônaly amin’izao fotoana Marc Ravavalomanana sy Ramatoa vadiny, ny avy amin’ny Birao politika notarihan’ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ireo olom-boafidy: depiote, ben’ny tanàna, mpanolotsainan’ny kaominina avy amin’ity antoko ity, ireo ministra teo aloha tamin’ny fitondrana Ravalomanana, ireo senatera sy depiote teo aloha, ny avy amin’ny RMDM, ny Vondrona Panorama sy ny antoko HVM ary mazava ho azy ireo vahoaka marobe: mpikatroka TIM avy eto an-drenivohitra sy ny manodidina sy ireo solontena avy any amin’ny faritra ary olon-tsotra. Feno hipoka ny kianjan’ny Finoana nandritra izany. Fotoam-pivavahana no nisantarana ny fotoana, nisy avy eo ny lahateny nifandimbiasana. Toy izao ny kabary nataon’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany:

“Ny voalohan-teniko dia misaotra an’Andriamanitra lehibe noho ny fitahiany antsika ka tafavory soa amantsara eto amin’izao fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara izao.

Ianareo Ray aman-dreny ampanahy,
Ianareo filohan’antoko sy fikambanana samihafa
Ianareo mpitarika sy mpikambana ato amin’ny RMDM,
Ianareo vahiny rehetra izay tonga eto,
Isika rehetra tsy misy hanavahana mpikambana ato amin’ny antoko Tiako i Madagasikara,
Faly, tena faly aho miara-mankalaza aminareo ity vaninandro lehibe eo amin’ny fiainan’ny antoko ity ary misaotra betsaka anareo rehetra vory lanona eto.

Isaorako manokana ny ray aman-dreny am-panahy nitarika ny fotoam-bavaka teto. Tolorako fisaorana manokana eto ihany koa ianareo vahiny rehetra nasaina, ka tonga manotrona izao fankalazana izao miaraka aminay. Ny fahatongavanareo rehetra eto dia porofo lehibe fa tsy irery ny antoko fa dia eo tokoa ianareo namana miaraka aminay amin’ny fikatsahana izay mahasoa ny firenena satria izany no maha antoko politika ny antoko.

Isaorako ihany koa ianareo avy lavitra nanao ny ezaka rehetra ka tonga eto androany. Fantatro tokoa fa mafy ny manjò anareo any amin’ny faritra misy anareo any.

Amin’ny maha antoko lehibe ny Tiako i Madagasikara eto amin’ny firenena, ny tanjony dia ny hitondra ireo vahaolana maro marary ny vahoaka ohatra:

Fampianarana

Tao anatin’ny 62 taona tsy mbola nandoa droit d’examen izany ny ankizy manala CEPE sy BEPC raha tsy tamin’ity fitondrana ity.

Tantsaha

Tsy vokarakara ny Tantsaha amin’ny fanamboarana tohadrano sy ny fanjariana ny vavarano. Ary tsy takatry ny Tantsaha intsony ny masomboly sy ny zezika, satria niakatra izay tsy izy ny vidiny.

Ny fahasimban’ny làlana

Tsy misy fikarakarana ny làlana, ka betsaka no simba tanteraka, na an-tanàn-dehibe , na any ambanivohitra.

Tsy fandriampahalemana

Manjaka ny tsy fandriampahalemana, na any ambanivohitra, na an-tanàn-dehibe, na eny an-dàlana, dia mirongatra ny fandrobana sy ny asan-jiolahy.

Fahasalamana

Mikaikaika miharitra fotsiny ny olona raha sendra marary, satria midangana izay tsy izy ny vidim-panafody.

Tsy fananan’asa

Maro ny olona very asa. Ireo mbola miasa, dia mitaintaina lalandava, satria tsy azo antoka ny faharetan’ny asa. Manampy trotraka izany ny fisondrotry ny vidim-piainana, ka zara raha mihinan-kanina ny Vahoaka.

JIRAMA : fahatapahan-jiro sy rano

Tapaka lava ny jiro sy rano, ary maharitra izany fahatapahana izany amin’ny toerana maro.
Antoky ny fahasalamana ny fananana rano fisotro madio, ary anisan’ny zo, kanefa dia lany fotoana milahatra rano ny vahoaka. Ny Facture alefan’ny JIRAMA anefa miakatra hatrany.

Mba hahafahana manova izany anefa dia ilaina ny maka fahefàna. Misy ireo ambaratongam-pahefàna eny amin’ny communes sy faritra, kanefa tanjona lehibe ho an’ny antoko rehetra, ary ny TIM ao anatin’izany, dia haka ny fahefàna mba hahafahana indray hitantana ny firenena. Tanjona tsy azo hafenina izany amin’ny maha antoko politika ny antoko Tiako i Madagasikara.

Tsy mora ny làlana nizoran’ny antoko kanefa kosa noezahina naseho teto amin’ity toerana ity ny tantaran’ ny antoko, indrindra ireo fahombiazana vitany tao anatin’izay 20 taona izay.

Misy tamin’ireo mpikambana no nizaka ny mafy tokoa ka nisy ireo namoy ny ainy, nigadra tany amponja, izay mbola vao nisy nampidirana any ampigadrana any Nosy Be any, izany rehetra izany dia noho ny fitiavana ny antoko sy ireo mpiara-belona amintsika.

Na dia teo aza izany rehetra izany dia mbola tsy kivy ianareo ary mbola sahy mijoro satria mbola ao aminareo ilay finoana amin’ny fanavotana an’ity firenentsika ity. AZA MATAHOTRA MINOA FOTSINY IHANY. Tsy misy zavatra vita anefa raha toa ka finoana no tsy arahin’asa. Izay no antony nisafidianana ireo teny faneva telo an’ity fankalazana ny faha-20 taona ity dia ny hoe MINOA, SAHIA, ARY MIJOROA. Ny tanjontsika dia tsy mbola niova dia ny HANANGANA FIRENENA VANONA.

Naseho teto amin’ity toerana ity hoy aho ny tantaran’ ny antoko. Izany no natao dia mba hahafahan’ireo tanora taty aoriana mahita marina ny ezaka sy ny asa vitan’ny antoko. Tsy izay ihany anefa satria isika tsy afaka hijanona any amin’ny efa lasa, fa natao ihany koa mba hahafahana maka bahana tsara, ka hibanjinana ny ho avy mba hanao ny tsara hatrany mihoatra noho ireo efa vita tany aloha.

Zava-dehibe tokoa ny mahita antsika vory lanona eto. Teny filamatra teto amin’ny antoko ny hoe NY TONGA MIARAKA DIA FANOMBOHANA FA NY MIASA MIARAKA NO FAHOMBIAZANA. Mila mpitarika mahay ity firenena ity satria tsy azo atao andrankandrana izany mitondra firenena izany. Izany ihany koa dia mitaky ny firaisankinan’ny vahoaka Malagasy rehetra izay miandrandra vahaolana amin’izao toerana misy azy izao. Ilaina ny miasa miaraka noho izany.

Latsaka anaty lavaka lalina ny firenentsika. Mitombo hatrany ny fahantrana ary efa 81% ny mponina dia voakilasy ao anatin’ilay sokajy hoe tena mahantra. Potika ny firenena. Midangana ny vidim-piainana. Ny jiro tapaka lava tsy ahafahana manao ny asa fitadiavana andavanandro. Tsy misy ny rano. Potika ny ankabezan’ny làlana. Maro ny tsy mahita izay sakafo sahaza, ary kere ny any atsimo. Tsy misy ny fandriampahalemana. Very fanahy mbola velona ny Malagasy ary indraindray aza dia toa lasa vahiny eto amin’ny taniny. Maizina tanteraka ny ho avin’ny Malagasy raha izao zava-misy izao no jerena ary azo lazaina fa tapin-dalàn-kaleha ny maro an’isa.

Tsy izay ihany no zava-misy fa maro ny sakantsakana ary tsy afaka misitraka ny zo fototra ny antoko politika mpanohitra sy ireo mpitarika an’ireny antoko politika ireny. Tsy misy fahafahana miteny sy mivezivezy malalaka eto amin’ny firenena. Tsy misy ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna fa hampiasana hanaovana ny ramatahora ny mpitandro filaminana sy ny fitsaràna kanefa araky ny voalaza teo dia tsy misy vahaolana ny tsy fandriampahalemana. Tsy kivy ary tsy milavo lefona amin’izany anefa ny antoko Tiako i Madagasikara miaraka aminareo antoko mpanohitra izay tonga eto. Koa SAHIA ARY MIJORO HANAVOTRA ITY FIRENENA ITY.

Eto ampamaranana dia mamerina ny fisaorana anareo rehetra namaly ny antso ary efa mampanantena ny any amin’ny faritra fa mbola hitohy any aminareo ihany koa izao fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko izao.

Ireo tsiambaratelon’ny fahombiazana:

VISION: nanana vision lavitra amin’izay heverina fa toerana misy ny firenena any aoriana.

NIJERY SY NIDINA IFOTONY: nahafahana namantatra ny tontolom-piainan’ny vahoaka amin’ny ankapobeny, mba hijerena izay LAHARAM-PAHAMEHANA NA PRIORITÉS.

Narahi-maso ny fanantanterahana ireo asa lehibe izay natao, mba tena hifanaraka amin’ny normes sy ny kalitao. (Ny fenitra dia tsy ny loko ivelany fotsiny kanefa ny trano mitriatra na mitete.)

Tsy maintsy refesina ny asa vita na ny fandrosoan’ny asa natao.

Ireo dia manaraka tsara an’ireto teny ireto: MAHALALA, MAHAVITA, ary MAHAY. Izany no antony idinana eny an-tsena sy miresaka amin’ny vahoaka.

Zava-dehibe ihany koa ny DÉCENTRALISATION na fitsinjaram-pahefana: isika no nametraka ny faritra na region 22 tamin’izany andro izany, mba hanatona akaiky ny vahoaka ny fanjakana, satria lavitra loatra ny faritany 6.

Misy dikany lehibe ny logo:

Ny sarin’i Madagasikara miaraka amin’ireo faritra 22.
Ny làlana dia fotodrafitr’asa ifamezivezen’ny vahoaka rehetra.
Homba antsika Andriamanitra.”

Sary sy horonantsary tamin’ny Fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara

ALAKAMISY 30 JONA / ZOMA 01 JOLAY: Fampirantiana sary sy ny Tantaran’ny Antoko sy ny Filoha mpanorina.
SABOTSY 2 JOLAY @ 9ora : Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Fankalazana ny Faha-20 taonan’ ny Antoko.
TOERANA: MAGRO BEHORIRIKA
MINOA- SAHIA – MIJOROA!
https://fb.watch/e3KDezY0p5/

Lahateny fanokafana – Fankalazana 20 taonan’ny antoko TIM (2:10:59)
https://youtu.be/vz5iaYRrHao

TIM 20eme Madagasikara tsara tantana
https://youtu.be/b1jiRcpaElQ

Sabotsy 2 Jolay 2022
Marc Ravalomanana – Sakana atao amin’ny mpanohitra
https://fb.watch/e3LMbCVauv/
Marc Ravalomanana – Manome fampanantenana ho an’ny vahoaka Malagasy
https://fb.watch/e3Ma0tFD-3/
Na atsimo na avaratra dia miandrandra mafy ny filoha Marc Ravalomanana
https://fb.watch/e3MptqFyV3/
Rina Randriamsasinoro
https://fb.watch/e3N0QPKnqA/
Rivo Rakotovao
https://fb.watch/e3MDTFygLD/
Raharinaivo
https://fb.watch/e3MFuwDYFo/
Rachid Mohamed
https://fb.watch/e3MSKrwp4H/
Alain Andriamiseza
https://fb.watch/e3MYcV9ytk/

Fandaharana 2 JOLAY 2022 Ahoana marina
Soa ihany fa mbola mijoro ny TIM sy ny filoha Marc Ravalomana
https://youtu.be/C19aKOiio_k

Fandaharana 30 JONA 2022 Ahoana marina
20 taona katroka ny antoko TIM
https://fb.watch/e3L6I594ss/
https://youtu.be/Yo6-jcxU7F0

4 Jolay 2022 – Marc Ravalomanana
Hampanan-karena ny Malagasy no laharampahamehana amiko
https://fb.watch/e3Mfw539-c/