Adin’ny samy mpitondra – Mampitsikafona ny zavatra tsy mety hafenin’izy ireo

Stefa

Mitsikafona hatrany ireo afera, kolikoly avo lenta, sy zava-miafina tsy manjary ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana, noho ny ady anatiny eo amin’izy ireo. Ny tsy fahitana ny volamena 36 kg mahery teny amin’ny ministeran’ny harena an-kibon’ny tany teny Ampandrianomby, ny samy mpitondra ao ihany no manatsikafona izany, tsy nisy mpanohitra ho tafiditra ka ahita ny aty vilanin’ny ministera any, fa izy samy izy ao ihany no mifamingana ao.

Efa nambara, fa tsy afa-miala amin’izany tsy fahitana volamena teny Ampandrianomby izany ny Praiministra Ntsay Christian, sy ny ministra teo aloha lasa ministry ny rano Fidiniavo Ravokatra. Mahakasika ity farany moa, gazety mpiseho isan’andro iray no manitrikitrika fa efa mitady handositra aza ity ministra ity noho izy ahiana ho tompon’antoka voalohany amin’izao fanjavonana harem-pirenena izao, miaraka amin’ny Praiministra, izay ministra nisolo toerana azy, nandritra ny fotoana naharitraritra ihany.

Miseho ihany koa amin’izao fotoana ny olana anatiny ao amin’ny fitondrana any amin’ny faritra Melaky any, mpandraharaha iray mpiara-dia amin’ny fitondrana no mitsikera ny governora any an-toerana: “ny zava-misy ankehitriny hoy ity mpandraharaha ity, tsy mahagaga satria isika rehetra izao dia main’ny afo natsangantsika. Mihazakazaka foana ny mpitondra eto amintsika amin’ny resaka famahanana lalitra ny vahoaka. Io dia vokatry ny “centralisation de pouvoir”, fivangongoan’ny fahefana, mahatonga ireo zavatra rehetra ireo. Haintsika tsara Izany. Raha ny gouverneur omenao vola 2 milliards Ar dia tsy misy zavatra ho vitany, kely io vola io ary tena tsy ampy hametrahana fampandrosoana izany. Tsy misy vina ho vita amin’izany, satria faritra no entina eto fa tsy fokontany … ny tena marina izany dia hoe hano nareo io vola io, sitrany ahay nareo mba mahazo toerana satria nanohana ilay fitondrana mijoro amin’izao,dia izy tapitra eo.

Mikasika ny olana mitranga ao amin’ny Faritra Melaky, ny Faritra melaky dia isan’ny manana potentialité économique, tanjaka ara-toekarena goavana be eto Madagasikara, toerana ahitana volamena, ahitana Vatosoa, ahitana harena an-dranomasina, be gaz sy solitany. Faritra izay tokony hahaleo tena tanteraka ary afaka mitondra fampandrosoana eto amin ‘ity Firenena ity, ary afaka mitarika an’i Madagasikara, nefa mampalahelo fa dia vola omenao azy isan-taona 2 milliard Ar. Raha mahita isika ny Gouverneur manodinkodim-bola dia manao izay zavatra tiany hatao, manao fanovàna lava ny fandaniana izay ataony, fampitomboana prix amin’ny fandaniana izay ataony. Antony mazava tsy fisian’ny fanaraha-maso. Izany fanaraha-maso izany tsy an’ny Solombavambahoaka irery ihany na ny Fanjakana mpanatanteraka.

Farany teo ny Filoha mihintsy no saika hanao évaluation na tombana ireo gouverneur ireo dia hoe izay gouverneur tsy miasa soloina. Tampoka teo tsy nisy tohiny ary tsy nisy fanarahana intsony dia izao izy. Aiza moa ny ahitanao hoe ny carburant an’ny governora fotsiny ao anatin’ny trimestre iray mandeha any amin’ny 500 millions, ny crédit téléphonique fotsiny efa mandeha 500 millions fmg. Atao izay handaniana io vola io amin’ny zavatra tsy misy ilana azy. Ny antoko TGV ao amin’ny faritra Melaky rehefa manao déplacement dia ny Governeur faritra Melaky no miantoka azy. Vola avy aiza io, nisy vola mazava ve, voarakitra ve izay? Arak’izany, henjana koa ny tady eo amin’ity governoran’ny faritra Melaky ity, sy ny mpandraharaha miara-dia amin’ny mpitondra avy amin’iny faritra iny.”

Raha ny fahafantarana azy, tsy any Melaky ihany no mety hahitana izay governora mandidy dia homana izay, satria tsy misy rafitra mpanara-maso any amin’ny faritra, fa mety ahitana izay koa ny faritra 22 hafa. Ny commission, na ny vola azon’ny mpanome ny asa no betsaka noho ny asa vita,…