Rina Randriamasinoro – Ity taona ity no haha-mpanohitra farany ny antoko TIM

Niaina

Anisan’ny nandray fitenenana nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko TIM, tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy teo, ny sekretera jeneraly nasiônalin’ny antoko, Rina Randriamasinoro. Nohamafisiny koa fa miomana haka fahefana ny TIM, ka ity taona ity hoy izy no tokony haha-mpanohitra farany ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity:

“ Misaotra anao Andriamatoa filoha fa ianao no angady nanana sy vy nahitana ny antoko TIM, nampianatra anay hanana fitiavana tanindrazana ihany koa. Mankasitraka ireo Birao Pokitika nifanesy nandrafitra ny antoko, na tany amin’ny faritra na distrika, ny kaominina. Ireo olomboafidy rehetra sy ny mpikambana ary ny mpanohana na eto an-toerana na any ivelany. Matoa mijoro ny antoko dia noho ny fijoroantsika manohitra ny tsy rariny. Ny nijerena ny sary izay nirakitra tantara dia hahafahana handinihana ny ho avy. Tsy azo atao ny mandiso ny tantara, sao diso ny fanapahankevitra, mila fantatry ny tanora ny tantara.

Mitodika amin’ny tanora aho, zavatra tena nisy no vitan’ny Filoha Ravalomanana fa tsy makety. Minoa, Sahia, Mijoroa. Tokony hanana fijery vaovao isika. Tsy afaka ekena intsony ny gaboraraka sy ny fahapotehan ny firenena, ka mila mijoro. Adidintsika izay, ario ny tahotra ary raha tsy vitantsika izany dia tsy tia tanindrazana isika.

Mandinika ny ho avin’ny firenena aho satria manana zanaka, aza mijanona ho mpitazana fotsiny, aoka hanana fahasahiana mba tsy ho tara.”