Mananjary faritra Vatovavy – Fiangonana, Tranobe, lalana, nitondran-dRavalo fanampiana

Isambilo

Tany Mananjary renivohitry ny faritra Vatovavy ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny RMDM sy ny antoko TIM ary ireo mpiara-dia aminy ny faran’ny herinandro teo, nijery ny zava-misy tany an-toerana ary nitondra fanampiana noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai tany amin’ity distrika ity. Fiangonana, Tranobe, lalana, tranon’olon-tsora, nitondran’ny filoha Ravalomanana fanampiana avokoa ny fanarenana an’izy ireny. Feno dia feno tokoa ny fandaharam-potoanany tany an-toerany.

Araka ny nambarany:

“Mahafaly ahy ny nihaona tamin’ny Birao Foibe Fjkm, izay tonga teto Mananjary, rehefa avy nitety ny Faritra Matsiatra Ambony sy Vatovavy ary Fitovinany, nijery ireo fotodrafitrasa izay ravan’ny rivodoza, ka mijery izay fomba hanarenana izany.

Ankoatra izany, noana sy tsy manan-kialofana ny vahoaka ka manentana ny rehetra, sy ny Foibe Fjkm ihany koa ny tenako, mba hitady ny fomba iaraha-miasa amin’ny PAM, ka hitondra vahaolana haingana ho an’ireo vahoaka, izay mizaka ny tsy eran’ny ainy. Tonga niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino sy ny Birao foibe Fjkm teto amin’ny Fiangonana Mananjary Famonjena sy Antanambao Zoara Finoana ny tenako ny alahady maraina teo.

Nandritra ny fitsidihana taty koa, no nahitana ny fahasimbana maro, toy ny tafom-piangonana, ka dia nanao tolo-tánana aho hanarenana ireo fiangonana ireo. Maro dia maro ireo fiangonana no rava tanteraka na misy fahasimbana goavana tao anatin’ny faritra nandalovan’ny rivodoza, ka dia miombom-po sy mankahery ny rehetra ny tenako.

Araky ny toromarika izay nomeko ho fanarenana ny tanànan’ i Mananjary dia miara-mientana ny Tily sy ny Mpanazava ary ny mpiara-dia amiko amin’ny fanantanterahana ny asa soa ho an’ny mpiara-belona, anisan’izany ny fanadiovana ny tanàna, sy ny fanokafana ny lalana noho ny mbola fisian’ny hazo tapaka. Mbola anisan’ny olana goavana eto an-tampon-tanànan’ i Manajary izao ny fisian’ny hazo manakana, ka tsy ahafahan’ny fiara mivezivezy. Tsy niandry ela aho fa tonga dia nanentana sy nandray anjara tamin’ny fanesorana ireo sakantsakana. Anisan’ny nanamora ny asa ny fitondrana ireo fitaovana manaraka ny teknolojia.

Ankoatra izany, nihaona sy nanome toromarika ho an’ireo mpitarika TIM sy RMDM eto Mananjary amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fanampiana sy fanomezan-tànana eo amin’ireo vahoaka sy ireo vahiny tonga manampy eto an-toerana ny tenako. Nitaraina ny mponin’i Mananjary, fa simba sy potika ny tanàna sy ny fananan’izy ireo. Nitaraina ihany koa izy ireo momba ny fahasahiranana eo amin’ny fiainany andavanandro.

Isan’ny nitarainany koa, raisina lisitra fotsiny ny anarany kanefa tsy mahazo fanampiana akory, ny hany azon’izy ireo mialoha an’izay dia vary iray kapoaka sy voanemba 1 kapoaka madco isan-tokantrano.”