Tsy Imbiky ihany – Fa hatrany amin-dRajoelina mihitsy no tokony hiala

Helisoa

Ny lohany mihitsy no matsatso amin’izao fitondrana araka ny efa nolazaina tamin’ity gazety ity, noho izany, tsy Imbiky Herilaza ihany no tokony hametra-pialana, fa ny Filoha Rajoelina mihitsy no tokony hanampy “gang” izay, na hesorina mihitsy, satria hita sy tsapa izao fa tsy voafehiny mihitsy ny fitantanam-panjakana.

Nisy ny fanovana governemanta vao tsy ela akory nataon’ny filoha Andry Rajoelina volana vitsy izay, ka hoe governemantan’ny asa no nifanaraha tamin’izany. Vao notenedrena anefa ireo farany dia efa naha be resaka, indrindra teny amin’ny tambazotran-tserasera. Roa andro tato aoriana dia efa nisy minisitra nametra-pialàna sahady satria namaivay be ny fanenjehana azy io sy ny fampisehoana ny dossier mikasika azy. Maro ny olona no gaga fa angaha tsy mba nisy fanadihadiana mialoha ireny manana andraikitra lehibe eto amin’ny firenena ireny no dia mipoitra ny zavatra toy izany? Ny sasany moa dia minia mikimpy tsy te hahalala mikasika ny fanakianana atao azy, fa dia tazonina mafy ilay seza volamena.

Nandeha ny andro sy ny volana, tsy hita izay atao fa dia ny eo ihany no eo. Isaky ny misy fisehoana ataon’ny filoha Andry Rajoelina dia manome baiko ny minisitra ny tenany, mba tsy hipetraka any amin’ny birao fa tokony hidina ifotony manatanteraka ny filàn’ny vahoaka. Alefa fotsiny ny fitenenana fa tsy misy fanaraha-maso. Tato aoriana manomboka miseho ny ady an-trano ary tsy azo afenina intsony izany. Ao ny mampiakapeo hoe esory io minisitra io fa tsy mahavita azy. Mazava be aloha raha mitaky ireo olona na ao amin’ny fitondràna aza izy, satria mibaribary loatra ny tsy fahaizana mitantana eo amin’ireo minisitera maro, ka tsy takona hafenina izany.

Mazava be ny hevitry ny olom-pirenena, ny lohany mihintsy no matsatso, ka tsy mahafehy ireo minisitra eo ambany fiadidiany. Maro be ny zavatra tsy milamina ataon’ireto farany, nefa modiana tsy hita izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny minisitry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy tamin’ny resaka fitondran-tena niparitaka tamin’ny tambazotran-tserasera. Ny vadiny saika nitifitra basy olona nefa manana andraikitra ambony ao amin’ny fitondràna, tsy sahin’ny filoha Rajoelina ny manala azy mivady ireo, fa inona no antony? manontany tena mihitsy ny olom-pirenena. Ny mifanohitra amin’izay indray dia nametra-pialàna ny minisitry ny fitsarana Imbiky Herilaza, fa toa voasaringotra amin’ny resaka kolikoly. Tsy fantatra mazava aloha na nametra-pialàna marina na noterena satria efa nandeha mialoha ny feo, fa tsy hijanona eo amin’ny toerana maha minisitra azy izy.

Ankoatra izay, maro ny mpisolelaka amin’ny fitondràna toy ny solombavambahoaka na senatera TGV, no mody miteny hoe, tokony hisy ny fanovàna governemanta, fa misy minisitra tsy maharaka ny dian’ny filoha izay haingam-pandeha ao, mba mihatsaravelatsihy kely aloha. Raha akapoka aloha dia ny feo mandeha dia izao, tsy mahafehy ny minisitra eo ambany fahefany Andry Rajoelina araka ny voalaza tetsy ambony dia izany no mahatonga ny firenena ho latsaka ankaterena toy izao . Asa na ny minisitra no manam-pahaizana loatra, ka tsy mifanaraka amin’ny filoham-pirenena ny zavatra ataon’izy ireo. Na ny filoha no tsy mahatakatra dia lasa miteniteny foana hihomehezan’ny olona fotsiny sisa. Ka raha izay no miseho dia tsy voafehinao mihintsy ny olona eo ambany fiadidianao fa dia samy mandeha samy mitady ianareo dia any amin’ny vahoaka no mifatratra ny rihitra. Mametrà koa fialana noho izany Andriamatoa Filoha, fa raha tsy izany mety hisy ny hanery anao ho amin’izany koa.