Distrikan’i Moramanga – Manana olona, manana hevitra ny antoko TIM hoy Dr Andry

Isambilo

Naneho ny heviny mahakasika ny tanjaky ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), any amin’ny distrikan’i Moramanga faritra Alaotra Mangoro, ny filoha vonjy maikan’ny Dis-TIM any an-toerana Dr Andriamalala Herimanana, na Dr Andry. Nambarany fa manana ny maha-izy azy ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana any Moramanga, ankafizin’ny olona izany antoko izany hoy izy, satria sady manana olona no manana hevitra, manana olona tia manao zavatra, manana olona mamy hoditra eo amin’ny fiaraha-monina. Porofon’izany hoy ity mpitsabo mpanao politika ity, nitarika ny TIM tao an-tampon-tanànan’i Moramanga tamin’ny fifidianana depiote farany teo, ary tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna moa dia nandresy mihitsy, nefa haverina izany fifidianana izany, mbola tsy naverina hatramin’izao. Eo amin’ny fanetsehana sy ny fameloma-maso ny antoko, am-piketrehana izany mihitsy ny Dis-TIM amin’izao fotoana, miainga any amin’ny fokontany sy kaominina ary mipaka amin’ny distrika ny fanentanana. Izany no atao hoy Dr Andry dia manana adidy ihany koa amin’ny fampandrosoana ny firenena ity antoko ity. Ny fanetsehana sy ny fameloma-maso ny antoko TIM any Alaotra Mangoro aza dia nambarany, fa tokony ho natao tany Moramanga araka ny toromarika avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana, nefa noho ny fepetra ara-pahasalamana mbola misy amin’izao fotoana dia nahemotra izany aloha. Eo amin’izay fanabeazam-boho ny antoko izany, nilaza Dr Andry fa ny mpikatroka hatramin’izay dia ezahana ny itazonana azy ireny, nefa ilaina koa ny olom-baovao, satria mila izany olom-baovao sy hevi-baovao izany ny antoko ary misokatra amin’ny rehetra hatrany ny antoko TIM hoy hatrany izy. Mahakasika ny fiaraha-miasa tamin’ny GTT-RMDM Diaspora La Reunion notanterahana ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny nanomezana fanampiana ireo traboina tao Moramanga, nahafaly anay sy ny vahoaka ny nisafidianana an’i Moramanga hoy izy, nandritra izany faly ireo nisitraka ny fanampiana satria nilamina ny fandaminana ary vokatry ny fo ny fanampiana nataon’ny GTT-RMDM Diaspora La Reunion.