EDITO 23 septambra – Fiharian-karena – Isehoan’ny tsy rariny ny sehatra fanondranana lavanila

Sôh’son

Tsy milamina ny sehatry ny vokatra lavanila, izay no azo amehezana ny fahenoina ny zava-misy. Misy politika an-kefetsena ratsy, mba tsy ilazana hoe politika maloto ataon’ny fitondrana, na ny manam-pahefana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny vokatra lavanila izay anisany voalohany mampidi-bola vahiny ho an’ny firenena, ary anisany mampanan-daza azy. Faritra maro no ahitana fanaovana ity voly lavanila ity eto amin’ny firenena. Saika amin’ny faritra atsinanana no ahitana ny famokarana azy, izay mifandraika amin’ny ara—tantara ihany dia ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany. Voly fanondrana no nanaovana azy hambolena eto ary mbola mitoetra izany mandrak’ankehitriny, satria ny 99% ny vokatra dia aondrantsika avokoa.

Nambara, fa tsy nisy afa-tsy 66 amin’ireo mpandraharaha 300 nangataka fankatoavana avy amin’ny fanjakana hanondrana vokatra any ivelany ihany, no nanaja ny fepetra tamin’ny mason-tsivana napetraka. Izy ireo izany no nahazo alalana hanondrana vokatra lavanila any ivelany amin’ity taona ity. Novakian’ny tomponandraikitra iray bantsilana ary taorian’ny famoahana ny lisitra fa misy ny akamakama sy ny kinamanaman’ny fitondrana izay tsy mbola nisehatra tamin’io resaka io no tafiditra ao anatiny, fa nisy efa mpanao izany no tsy tafiditra. Tsy milamina izany. Nolazainy ihany koa, fa misy fanaovana ampihimamba ao anatin’izany. Izany hoe, misy fanilihana ny hafa te hisehatra sy efa mpisehatra amin’ity fanondranana vokatra lavanila any ivelany ity. Efa resaka efa nandeha tato ho ato ny momba izany. Talohan’izao fitondrana izao anefa tsy nisy an’izany.

Nikorontana ny vidin’ny vokatra lavanila tato anatin’ny taona roa izao, ary tamin’izao fotoam-panondranana izao dia tena ratsy tanteraka, na dia voalaza fa somary nitombo kely ny vokatra miohatra ny tamin’ny taon-dasa izay efa nidina io raha oharina ny tamin’ny taona 2019. Izany hoe, tsy voafehy izany na misy fanaovana kajikajy politika ao ambadik’izany rehetra izany. Iza no voa mafy ao anatin’izany, ny tantsaha mpamboly satria nidina hatrany amin’ny 15000 Ariary mihitsy ny vidin’ny lavanila maitso raha nolazaina fa hoferana ho 75000 Ariary.

Raha fehezina izany, izao fitondrana dia niteraka fatiantoka ho an’ny tantsaha mpamboly lavanila, nandona mafy ireo olom-pirenena maro nikasa hisehatra amin’ity sehatra ity, ary nampiditra fomba ratsy. Tsy mba re ambaran’izao fitondrana izao sy tomponandraikitra ao aminy misahana izany ny fanaovana ampihimamba ny fanondranana vokatra lavanila. Ity fomba ity anefa no nanakianan’i Andry Rajoelina sy ny ekipany tamin’ny fotoan’andro an-dRavalomanana. Izany hoe fihetsika tsy azo leferina ny zava-misy eo amin’ity sehatry ny fanondranana lavanila amin’izao fotoana izao ity. Raha mety amin’ny fitondrana Rajoelina ankehitriny izany, dia midika tsotra izao fa nofitahiny tanteraka ny vahoaka tamin’ny taona 2009-2010. Izany hoe, olona mpamita-bahoaka no nandrombaka fahefana sy nitondra ny fitondrana tetezamita nandritra ny dimy taona ngarangidiny sy ny amin’izao fotoana izao. Heloka bevava (haute trahison) eo anatrehan’ny firenena izany, fa tsy misy adihevitra be.