Fitaovana fitateram-bahoaka vaovao – Tsy hampiova ny fiainam-bahoaka velively

Radafy

Manaotao foana ve ny Firenena Mikambana nisafidy ny andro omaly ho andro iraisam-pirenena tsy hisy na tsy hampiasana fiarakodia? Mazava loatra, fa antony ara-piarovana ny tontolo iainana no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Niditra tamin’ny andro faharoa amin’ny fihaonana an-tampony eo anivon’ny mpikamban’ny Firenena Mikambana ihany koa iny andro iny ary asa izay resaka tao anatin’izany ? Fa hoan’ny tany an-dalam-pandrosoana na firenena mahantra toa an’i Madagasikara dia sarotra ny hiala amin’izany, fa tsy maintsy mampiasa izany. Ny tomponandraiki-panjakana ve dia hivaky loha amin’izany ? Tsy afaka araka izany ny fitohanana an-drenivohitra isan’andro indrindra rehefa niditra an-tsekoly ny mpianatra. Toy ny isan’andro ifandrotehan’ny fitohanana sy ny firotorotoana ny zava-nisy. Efa aman-taonany izany no nitranga ary izay indrindra ve no nahatonga ny tompoandraikitra miadidy ny tanànan’Antananarivo renivohitra hanonofinofy, ka hihevitra fa tokony hampiasaina ny « bus class », ny « tramway », ary ny « téléphérique », izay fifamoivoizana tsy ambony tsy ambany sady tsy an’habakabaka no tsy an-tanety, fa misababaka eo.

Tena ilain’ny vahoaka malagasy sy ny mponin’Antananarivo ve izany amin’izao fotoana izao ? Tsy maintsy andaniam-bola be mantsy izany, ary izany dia tsy maintsy misy setriny ambadika takian’ny orinasa vahiny hametraka izany eto, fa tsy mandeha ho azy amin’izao fotsiny, na fiantrana ny vahoaka malagasy fa mahantra loatra. Tsia, tsy izany velively, fa resaka fandraharahana io na bizina, ka aoka tsy ho voafitaka ny vahoaka. Ny mpandraharaha vahiny miasa eto, izy rehetra, dia tsy misy izay tsy mihevitra ny haka sy hangoron-karena eto, satria manana izany be dia be ity firenena ity. Misy dikany lehibe matoa miharitra eto ry zareo sinoa. Efa nambara fa tsy mandeha ho azy amin’izao ny fihetsik’ireo sinoa ireo niara-niasa tamin’ny fitondrana namita ny kianjan’i Mahamasina io. Nisy volabe ambadika nampiasaina tao avy aminy. Iza no tsy mahalala, fa ry zareo sinoa dia miezaka maka laka aty Afrika, satria firenena sahirana sy mahantra ny aty ary azo trandrahana tsara ahazoana tombontsoa tsy eo amin’ny lafiny fiaraha-miasa toy izany ihany fa hatramin’ny resaka politika. Tany malemy tsara azo anorenam-pangady i Madagasikara, fa mila mampiasa vola fotsiny sy miresaka diplômasia. Ny fitondrana rahateo malemy tsy azo ifampiraharahana tsara. Dia tsy atao hahagaga ny zava-bita sy ny mbola hisian’ny sehatr’asa hafa amin’ny manaraka. Dia tsy atao hahagaga ihany koa raha misy mponina taitra sy mitaraina, fa misy teratany sinoa tonga any aminy hitrandraka harena ankibon’ny tany.

Miverina amin’ny fifamoivoizana an-tanety eto, miharihary avy hatrany fa tsy hahavaha ny olana amin’ny fitohanana eto an-drenivohitra ireo vahaolana aroson’ny fitondrana, na ny eto amin’ny kaomina Antananarivo renivohitra, na eo anivon’ny fitondrana foibe izany. Mazava loatra fa natao fotsiny ihany hamitaham-bahoaka tsotra izao izany, satria tsy mahavaha ary tsy hahavaha mihitsy ny olana fototra manjo ny vahoaka Malagasy. Vahoaka efa tsara fari-piainana sy mandroso no mety amin’ireo fitaovam-pitaterana ireo, fa tsy natao ho an’ny vahoaka mahantra ankehitriny izany. Aza mamita-bahoaka fa efa ampy izay natao hatramin’izay mba hifikirana amin’ny tombontsoa sy ny fahefana. Sa hamita-bahoaka indray fa mandroso ny firenena ary miasa ny fitondrana? Hampitombo ny vola anaty kitapom-bolan’ny sarambabem-bahoaka ve ny fisian’izy ireo ary hanatsara ny vola miditra aminy? Tsia avy hatrany ny valiny, n’inona n’inona fanazavana sy teny mampandry adrisa atao, satria tsy ho mamaimaimpoana ny fandehana amin’ireo ary ho ambony noho ny an’ny taxibe aza ny saran-dalana. Etsy ankilan’izay, ny fidiram-bolan’ny vahoaka Malagasy tsy mitombo, ny teo am-pelatanana aza very noho ny orinasa sy fihariana nikatona. Fehiny, azo atao ny mametraka ireo fitaovam-pitaterana ireo, fa ny fihatsaran’ny fiainam-bahoaka ankapobeny tsy misy. Asakasak’izay mety ho voafitaka ihany, fa fanampena-maso ny vahoaka izany fikasan’ny fitondrana izany. Fanarian-dia ihany koa satria hanaovana hoerahoera sy vely vilanin’ny fitondrana indray amin’ny fivoizana izany eny anivon’ny haino vaky jery mpomba azy izany resaka izany. Etsy ankilan’izay, hitohy ihany ny fahasaharinam-bahoaka sy ny fiainany anaty fahantrana lalina ary mbola ho rambony amin’ny laharana manerantany amin’ny firenena mahantra ihany i Madagasikara.