Arlette Ramaroson – Mangataka ny mpitondra hitondra ny resaka Nosy Malagasy amin’ny Fivoriambe faha-76 ny ONU

Isambilo

Hanomboka amin’ity herinandro ity any New-York Etazonia, misy ny foiben-toeran’ny Firenena Mikambana (ONU), ny Fivoriambe faha-76 an’ity fikambanana iraisam-pirenena, anisan’ny lehibe indrindra maneran-tany ity. Araka ny fantatra dia handray anjara amin’izany ny delegasiona Malagasy tarihan’ny filoha Andry Rajoelina. Noho izay antony izay, miantso ny mpitondra eto amintsika Ramatoa Arlette Ramaroson avy amin’ny fikambanana ANM: Association Nosy Malagasy, mangataka ny mpitondra eto Madagasikara hitondra ny resaka momba ireo Nosy ireo sy ny famerenana azy amintsika, ao amin’ity Fivoriamben’ny ONU ity.

Nanambara ity mpitsara iraisam-pirenena teo aloha ity, fa “isan-taona, isan-taona dia ahemotra ny fandinihina ny fomba famerenana ny nosy malagasy amin’ny Malagasy, satria tsy mangataka isika. Tamin’ny 71ème Assemblée Générale des Nations Unies dia nametraka projet de résolution nationale ny fikambanana Nosy Malagasy na ANM tamin’ny governemanta Malagasy, mba holaniana ny fomba famerenana ny Nosy Malagasy sy ny fialàn’ny frantsay ao, nefa tsy napetraky ny fanjakàna. Nangataka koa izahay ANM, mba ho mambran’ny délégation sy hijoro ao amin’ny commission mandinika ny décolonisation hitaky ny Nosy Malagasy fa tsy nisy valiny. Ny malagasy manaiky fa ny volonté politique no tsy misy. Mangataka anareo fanjakàna mba hijoro amin’ity 76ème session ity”, hoy izy.

Nanambara koa Ramatoa Arlette Ramaroson fa ny vaomiera nasionaly ny Nosy Malagasy dia mandrakotra fikambanana maro, antoko politika sy vahoaka tsotra mitaky ny Nosy Malagasy. Dia ho hita eo indray amin’ity indray mitoraka ity ny mahakasika izay raharaha izay, satria efa ho any ihany ilay “Filoha sans qualité”!