EDITO 7 septambra – Fitrandrahana harena ankibon’ny tany Tsy miaina malalaka sy ara-drariny ny Malagasy

Sôh’son

Tena tsy mahafehy ny fitantanana ny toekarena ve sa minia mikimpy, ka manao ho tari-drano ankilahila izany, izao fitondrana Rajoelina izao? Mampieritreritra lalina ny zava-misy any amin’iny faritra Alaotra iny amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Manana otrikarena be amin’izay harena ankibon’ny tany izay iny faritra iny, raha ny vaovao re avy amin’ny olom-pirenena zanaky ny faritra. Miha-mitombo ireo toerana ahitana vato sarobidy any an-toerana. Miha-mitombo araka izany ihany koa ireo mpitrandraka sy ireo mpisehatra samihafa mifandraika amin’izany. Anisan’ny liana amin’izany ihany koa, mazava loatra, ireo mpandraharaha ara-barotra vahiny ary tena mampiasa volabe sy mahazo tombony be lavitra izy ao anatin’izany. Izany hoe, raha araka ny fanazavana samihafa, dia irohotana sy ifangaroan’olo-marobe samihafa iny faritra iny.

Iza no mahazo tombontsoa amin’izao harena ankibon’ny tany malagasy izao? Tsy tokony hiadian-kevitra, fa ny Malagasy tompontany no hisitraka izany voalohany indrindra, sy iny faritra na toerana isian’izany. Izay ve anefa no misy any an-toerana? Miara-mahalala ny maro, fa tsy izay. Satria tokony hisy fiantraikany be eo amin’ny fiainan’ilay mponina any an-toerana, sy ilay faritra io harena ankibon’ny tany ao aminy io. Tokony ho lohalaharana eto amin’ny firenena mihitsy amin’ny fahatsaram-piainana sy amin’ny fahatsaran’ny tanàna sy ny lalana ny any. Re amin’ireo olona mpampita vaovao, fa vola tsy toko tsy forohana no kirakiraina avy amin’ny vokatra azo. Volabe amina miliara maro dia maro no mihodina. Mankany amin’iza ny ampahany be amin’izany tombontsoa lehibe izany, fa toa tsy hita soritra mivaingana ho an’ireo ambara ho tokony hisitraka voalohany izany? Tsy lavina, ary re fa misy ihany amin’ireo teratany Malagasy mpitrandraka no mahita tombontsoa be tokoa amin’izany, saingy vitsy ihany ireo raha miohatra amin’ireo mpitrandraka maro. Ny tanàna rahateo tsy hita izay fivoarany mazava mankamin’ny fandrosoana.

Manaitra ny sain’ny mpanara-baovao, raha araka ny fitantarana ihany, ny fisiana mpitandro filaminana eny ampototry ny toeram-pitrandrahana. Amin’ny lafiny iray, araka ny anarany dia hitandro filaminana tokoa ireo, kanefa ny tsikaritry ny mpitrandraka sy ireo mpandraharaha Malagasy madinika, dia manome olana lehibe ho azy ny fisian’ireo. Misy ny fanamparam-pahefana ataon’ireo momba ny vokatra azo. Tsy maintsy ifampizarana izany, hoy ny fitarainan’izy ireo, ary izay omeny eo, izay matetika tsy mifanaraka amin’ilay sandan’ny vato sarobidy voatrandraka. Nisy mihitsy aza, ny noenjehina raha tsy nanaiky ifampizara, raha ny voalaza ihany. Iza anefa no maniraka ireo mpitandro filaminana ireo, hoy ny fanontanian’ny mpitrandraka? Dia afaka ny samy maminavina izay ny rehetra.
Ampahany amin’ny filazana ny zava-misy any an-toerana izany.

Tsy misitraka mazava sy ara-drariny ny harena ankibon’ny tany misy ao aminy ny mponina, ny Malagasy, fa olom-bitsy no mitavana azy sy mangorona ny harena. Sarotra ny hino, fa tsy mahalala izany ny fanjakana na fitondrana. Fantany ny zava-misy any ary tsy isalasalana fa amin’ny antsipiriany. Santionany amin’ny toerana ihany io, fa mitranga any amin’ny toeran-kafa ihany koa izany. Dia mijanona amin’izany toe-javatra izany ny raharaha. Fanambakana, tsy fanajàna ny fahamarinana, tsy fanajana ny rariny sy hitsiny no manjaka.