IREO TSODRANON’I BOAIKELY

Maro ihany ireo tsodrano izay nataon’i Boaikely,
Fa ny ankamaroan’ireny, tsy nandaitra velively.
Raha ny marina aza, indrisy, mainka toa nitera-doza.
(Tsy nitera-bokatsoa fa tena hoe tsodranom-poza!)

Hosinganina amin’ireny ny nataony afak’omaly,
Ho firariana, indrindra indrindra ho fampiakarana moraly.
Saingy indrisy tsy nahomby, saingy indrisy tsy nandaitra,
Resy indray ny barea ka dia ny rora no nafaitra!

Eny, tsy hay koa ny hanadino ilay mba ventin’ny tsodranony,
Nandrisika ny hanani-dapa, f’izy hitsoaka ho any an-tranony!
Izay ilay 7 febroary raha tsiahivina ny lasana.
Tena hoe fitsofan-drano hamoha ny varavaram-pasana!

…Raha fehezina dia tsotra, mendrika ny handini-tena,
Ianao izay faly mitsodrano, tia mideradera tena.
Io tsy hoenti-mihoerahoera na tononinonim-poana,
Fa ilaina arahina asa sy tovonana finoana!

DADAN’i ZINA (04-09-21)