Fanokafana sy fitokanana ny kianja Barea – Tsy Rajoelina mihitsy no tokony ho rôla

Andry Tsiavalona

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy niaraka tamin’ilay mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena kamerone, Samuel Eto’o, nialohan’ny fihaonan’ny Barea sy ny Benin, ny Kianja Barea Mahamasina. Efa nampiedinedina ny filohan’ny Repoblika Rajoelina izany kanefa raha ny arofenitra no jerena dia ny ben’ny tanànan’Antananarivo no tokony ho loha-laharana, satria an’ny renivohitr’i Madagasikara ny kianja, ny minisitry ny fanatanjahantena, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy amin’ity taranja ity, ny solontenan’ny CAF no niara-nanapaka taminy ny « ruban », satria ity farany no anisan’ny nahazoan’ny olona iray alina nijery ny lalao. Arak’izany, tsy tokony ho ny filoha Rajoelina mihitsy no ho rôla na olona voalohany tamin’ny fanokafana sy fitokanana ity kianja ity, fa mpanome voninahitra fotsiny izy, fa ny tena tokony ho loha-laharana tamin’ny fanokafana sy ny fitokanana dia ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny FMF ary ny CAF.

Ankoatra izany, raha ny fipetrahan’ireo ao amin’ny fitondrana teo amin’ny « tribune centrale » koa aza dia tsy nanaja ny arofenitra, izay toa midika fa an-dRajoelina Andry sy ny ankohonany ary vola avy any am-paosiny no nanaovana ity kianja ity. Raha ireo zava-nisy ireo no dinihana dia tsy an’ny Malagasy ary tsy hitondra firaisan-kina velively ity fotodrafitrasa ity. Notokanana niaraka tamin’ny vahoaka Malagasy indray ny sabotsy lasa teo ny kianja, ka rehefa tapitra ny hamehana ara-pahasalamana dia azo antoka fa nihoatry ny efatra alina no tonga nijery fety sy nikorana niaraka tamin’ny filohan’ny Repoblika tao. Nofaranana tamin’ny afomanga moa ny lanonana.

Ny nahagaga ny rehetra dia ilay mpilalao baolina kitra iraisam-pirenena nasain’ny filohan’ny Repoblika manokana ary nanofana “jet privé” mihitsy dia lasa nody niaraka tamin’ny mpilalaon’ny Benin, tsy nanatrika ny fitokanana akory. Tsy mampiverina ny “Hasin’ny Firenena” koa satria na ilay olona nomem-boninahitra sy nasaina manokana aza tsy niaraka nifaly havanja tamin’ny vahoaka. Vita ny fety ary tena niala voly tanteraka izay tonga tao Mahamasina iny sabotsy iny, fa ny tany amin’ny Faritra kosa nilendalenda sy nitsiriritra fotsiny ary nanontany tena ny mponina hoe: rahoviana no hisy toy ireny teto an-drenivohitra ireny any aminy. Ny eto an-drenivohitra kosa dia manontany tena ihany koa hoe ahoana indray ny rahampitso ary hiteraka asa ho an’ny tanora ve ny nisokafana sy nitokanana ny Kianjan’i Mahamasina satria ho an’ny tanora sy ny taranaka ho avy hono izany? Fitoambifitopolo (77) tapitrisa dolara no lany tamin’ny nananganana ny kianja, ka angamba, hisintona vola handoavana ny volan’ireo mpandraharaha nanao fikojakojana làlana, hanefàna ny karaman’ireo mpampianatra Fram sy ireo mpandraharaha sy mpiasa ara-teknika eny amin’ny anjerimanontolo ary hisatrahan’ny mpiasan’ny orinasam-pirenena Air Madagascar. Anisan’ny tena lehibe indrindra ilàn’ny Firenena vola dia ny fanarenana ity orinasam-pirenena ity, izay tena nanana ny naha izy azy sy reharehan’ny vahoaka Malagasy ary nampisy hasina ny Firenena.

Manana kianja “manara-penitra” hafa i Madagasikara, ary afaka mandray lalao iraisam-pirenenao, ka heverina fa ny vola lany tamin’ny kianjan’i Mahamasina dia nahavitàna ilay fantson-drano any Atsimo hanafoanana ny kere, sy hanondrahana ny tany maina noho ny tsy fisian’ny rano ary indrindra ho sotroin’ny mponina. Mety ho faly tokoa ny mpitondra raha ny vola azo tao Mahamasina dia hampiakatra ny harinkarena faobe, sy hampiakatra ny sandam-bola gasy ary indrindra indrindra hananan’ny Malagasy fahefa-mividy hahafahany miatrika ny fiakaran’ny vidim-piainana. Nialohan’ny fitokanana dia nofoanana ny hamehana ara-pahasalamana (état d’urgence sanitaire), satria efa nanambara ny filohan’ny Repoblika, fa tsy misy intsony ny valanaretina covid-19, kanefa mbola sahirana ny mpandraharaha Malagasy hampihodina indray ny orinasa, satria tsy mba nisitraka fanampiana avy tamin’ny fitondrana mihitsy, ka na izay hoentina hamerenana amin’ny laoniny ny famokarana aza dia tsy eo am-pelatànana intsony. Ny zava-doza dia tsy manana laminasa ara-toekarena hiatrehana ny aorian’ny valanaretina toy ny any ivelany akory ny fitondrana eto Madagasikara, na dia nitobaka izay tsy izy, efa nanakaiky ny iray miliara dolara, aza ny fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola.

Tsara jerena ny Kianjan’i Mahamasina, na dia daninin’ny masoandro aza ny mpijery noho ny tsy fisian’ny tafo, dia nosantarin’ny ekipam-pirenena malagasy tamin’ny faharesena ary niteraka fahasamihafan’ny fomba fijery ny anton’ny nahatonga izany. Araka izany, tsy nitondra firaisankina, tsy nampiverina ny hasin’ny Firenena ny Kianjan’i Barea Mahamasina na dia niezaka nanasongadin-tena aza ny filohan’ny Repoblika Malagasy.