EDITO 24 Jona – Mitohy sy hitohy ny famitaham-bahoaka

Sôh’son

Mierina ny taona ity tsy tafavoaka ny filazana fa hiverina amin’i Madagasikara ireo Nosy manodidina izay an’ny Malagasy, fa bodoin’ny fitondrana frantsay tsotra izao. Tsy misy fanazavana ataon’i Andry Rajoelina izay niteny izany hatreto, fa ny minisitra no asaina manazava sy mamaly izay fanontaniana mipetraka momba ny fihetsiky ny fitondrana frantsay ao amin’ny Nosy Sambatra.

Dia hisehoseho indray anio, amin’ny fitokanan-dalana fa hoe nahavita, kanefa iarahan’ny maro mahalala tsara ny angady nananana sy vy nahitana izany. Mbola hanao toy izay koa amin’ny andron’ny 26 Jona eny Mahamasina, ka haneho amin’ireo hetsika sy renty maro samihafa fa miavaka ity fitondrana ankehitriny ity. Raha mahita ireny sary fanadihadiana nivoaka tamin’ny haino aman-jery ireny momba ny zavatra hohanin’ny mponina any atsimo dia tokony hisy fiovàn-tsaina haingana ny mpitondra sy manam-pahefana rehetra isan-tokony avy eto amin’ity firenena ity ary handray fanapahan-kevitra malaky, raha tena manana fahendrena lalina amin’ny fitantanana ity firenena ity sy ny fitiavana ny vahoaka malagasy marina. Voarefy amin’iny tranga any atsimo iny sy ny manjo ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao ny tena traikefa sy ny fahaizan’ny fitondrana Rajoelina mitondra firenena. Kanefa matetika amin’ny tranga toy izany, dia tsy hita soritra mihitsy izay mba fihetsiky ny fitondrana ho setrin’izany entina hamahana ny olana ao anaty fotoana voafaritra.

Miverina ho adihevitra ny momba ny firesahana ity ventesina lava hoe “hambompom-pirenena” ity. Io anefa, dia mifamatotra tanteraka amin’ny fitiavan-tanindrazana. Raha tena madio marina sy miredareda ny fitiavan-tanindrazana ao anaty dia hisongadina ho azy, fa tsy mila entanina sy terena ny hipoiran’ny hambompom-pirenena. Azo andrefesana tsara ny ao amin’ny olom-pirenena indrindra fa ny mpitondra fanjakana izany ireo zavatra roa loha ireo. Tsy amin’ny fisehosehoana ivelany toy ny atao ankehitriny amin’ireo renty samihafa entiny hankalazana ny Asaramanitra akory no anehoana ny hambompom-pirenena, fa amin’ny ady sy tolona amin’ny geja mamatotra ny firenena hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena mandraka ankehitriny. Tsy afaka hidehaka ho manana hambompom-pirenena ny mpitondra fanjakana raha tsy tafaverina madiodio tanteraka ny fahaleovantenan’ity firenena ity. Ny ankoatran’izay miendrika fanampena-maso, sy fihatsarambelatsihy ary famitahana ny vahoaka Malagasy, efa nataon’izao fitondrana izao ary mbola tohizany hatao.