Fiandrianam-pirenena – Tsy mety ho azon’ny Malagasy fa misy hatrany ny mpanohariana

Andry Tsiavalona

Afaka roa andro anio dia higadona ilay andro antsoin’ny olona ho “Asaramanitra” ka iraika ambienimpolo taona amin’io andro io izany no namerenan’ny mpanjanatany Frantsay ilay “fahaleovantena”, tsy nisy poa-basy na tafondro. Tamin’io taona io ihany koa no nahazoan’ny firenena Alzeriana izany fahaleovantenany izany rehefa niady izany tamin’ny frantsay ny tia tanindrazana tany an-toerana.

Namoizana aina Malagasy efa ho iray hetsy ny taona fito ambiefapolo sy sivinjato sy arivo, nandritra ny ady nitakian’ireo tia tanindrazana MDRM teto ny fahaleovantena. Tsy nahomby toy ny nataon’ny Indiana izany, satria ny tany amin’ity firenena ity dia tafaverina ny fahaleovantenany tamin’io taona io. Manana ny Sainam-pireneny sy ny hiram-pireneny i Madagasikara, fa ny fanontaniana mipetraka dia tena nanana sy manana ny “fiandrianany” ve ity Firenena ity rehefa naverina ny fahaleovantenany ? Rehefa zohiana ny tantara dia nisy ihany vanimpotoana nahitana taratra izany, satria nisy ezaka nataon’ny mpitondra namerenana ny fiandrianan’ity Firenena ity.

Taorian’ny hetsika nataon’ny mpianatry ny ambaratonga ambony ny taona 1972 nitakiana ny fanafoanana ny “néo-colonialisme”, izay hita taratra na teo amin’ny sehatry ny toekarena na teo amin’ny sehatra politika eny na teo amin’ny sehatry ny fanabeazana aza. Nitsiry tao am-pon’ny Malagasy ny fanantenana, nandritra ny nitondran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, rehefa navaozina ny “accord de coopération” ary nalaina ho fananam-pirenena ireo orinasan’ny voanjo frantsay nanao ampihimamba ny famokarana. Niverina teto Madagasikara ny ankamaroan’ireo mpianatra Malagasy nandranto fianarana tany Frantsa nifandrimbona sy nifanome tànana tamin’ny fampandrosoana sy namerina ny fiandrianam-pirenena ary namerina ny hambom-po maha Malagasy.

Toy ny vary sosoa notapohan-drano mangatsiaka anefa ny hafanampon’ny Malagasy rehefa nanaovan’ny fahavalom-pirenena vela-pandrika teny Ambohijatovo ny lehiben’ny fitondram-panjakana ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Tsapa nanomboka teo, fa ny manatanteraka ny baiko mandrakariva no misolo vaika ny akalana fa ny atidoha mikotrika dia miriaria eny foana. Tsy vao tamin’ity toe-draharaha ity ihany anefa no nisy gasy mpamadika sy mpanohariana fa efa tamin’ny faha-panjaka. Nitsiry indray ny fanantenan’ny Malagasy tamin’ny Repoblika II rehefa niditra tao amin’ny vondrona iraisam-pirenena “Tsy momba ny Atsy tsy momba ny Aroa” (non aligné) i Madagasikara ary tsara rafitra tsy nisy toy izany ny “Boky Mena” sy ny filazana, fa “Madagasikara tsy mandohalika” ary ny firenena dia mifototra tamin’ny vondrom-bahoaka itsinjarampahefana.

Rehefa nivalona ny volana sy ny taona dia rava izany fanantenana izany, satria dia nanjaka teto ny fifampiandaniana sy ny kinamanamana (népotisme) ary ny fanindrahindrana olona (culte de personalité). Nanomboka nahazo laka ny jadona, nidina ny toekarena, niha-nahantra ny Malagasy ary nangozohozo ny lohaliky ny gasy, ka efa saika nandohalika. Tsy misy afaka mandà fa nivaky roa ny antoko politika teo amin’ny fitondrana, ka nisy ny Arema Isoraka sy ny Arema Ambohitsorohitra. Teo amin’ny rafitry ny fitantanana ny Firenena dia nisy ny Antenimierampirenena ary ny Filakevitra Faratampon’ny Tolompiavotana (CSR), no teo amin’ny toeran’ny Antenimierandoholona, ka valo ambinifolo mitovy amin’ny misy ankehitriny ny mpikambana tao. Mety nanana ny fiandrianany ny Firenena tamin’izany fotoana izany kanefa kosa toa nahazo laka teto ny Koreana Tavaratra, ka maro ireo tetikasa niarahana tamin’ity firenena ity, araka izany dia niha-ratsy ny fifandraisana tamin’ireo firenena tandrefana. Taoriana kelin’ny nirodanan’ny vondron’ny firenena tatsinana no nirodana ny Repoblika II. Na tafaverina teo amin’ny fitondrana aza ny Amiraly Ratsiraka Didier dimy taona taty aorian’ny nanesorana azy teo amin’ny toerana maha filohan’ny Repoblika azy dia azo lazaina fa tsy mbola nanana ny fiandrianany ity firenena ity, satria tsy nahavita tena teo amin’ny sehatra rehetra. Tsapa fa nisy izany fiandrianam-pirenena izany teo anelanelan’ny taona 2002 sy 2009, satria niakatra fito isan-jato mahery ny fiakaran’ny harin-karena faobe, tafiditra an-tsekoly ny sivifolo isan-jaton’ny zaza malagasy, tsy nisy firenena afaka nilaza fa nahazo tombony manokana teto Madagasikara, nampiroboroboina ny fambolem-bary nampihenana ny fanafaram-bary avy any ivelany.

Nankalazain’ny mpitondra tamin’ny tetezamita izay mitondra ihany koa ny fananan’i Madagasikara izany fiandrianam-pirenena sy hambompom-pirenena izany, saingy tsy ny vava miteny no manamarina izany, fa ny zava-misy iainan’ny mponina eo amin’ny lafiny rehetra. Tsy misy ny fiandrianam-pirenena raha bokan’ny trosa sy mandohalika miandrandra fanampiana avy any ivelany, ka tsy mahavaha ny olana ara-tsosialy sy toekarena ary fahalemana ny mpitondra. Matikambo ny mpitondra amin’izao fotoana izao kanefa tsy manan-koraisina entina manatanteraka ny nofinofiny, fa manararaotra ny fahefana eo am-pelatanany ka manampatra izany handemena sy hamoretana ireo mitaky ny zony. Very tanteraka izany fiandrianam-pirenena izany satria tsy manana ny hasiny intsony ireo mpitondra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka miezaka mamilivily ny saina sy mampanonofy ny nampindrana fahefana azy amin’ny zavatra mirentirenty sy tsy hitondra vahaolana eo amin’ny fahasahiranany eo amin’ny lafiny rehetra. Tsy hitondra na inona na inona miabo eo amin’ny fiainan-dRamalagasy akory ny fampirehetana ireo jiro be manazava ny kianjan’i Mahamasina amin’ny 26 Jona 2021 izao.