MATSO HARIVA ?

Te hiavaka hatrany dia manao ny tsy fanao?
Matso hariva, izany ve ilay fanovana nentinao?
Te hampiseho fa misy jiro feno renty manazava?
Nefa raha ny anay aty dia tena jiro tapa-dava!

Te hiavaka hatrany dia manao ny tsy fanao?
Matso hariva, izany indray no tena zava-baovao?
Ny anay anefa raha ny hariva, ny hodiana no ao an-tsaina,
Ny mpanendaka no betsaka, lahitokana ny aina!

Te hiavaka hatrany dia manao ny tsy fanao?
Moa tadidy izay voalaza herintaona lasa izao?
Fa te handre anao ‘zahay hiteny tsy hiambatrambatra:
“Efa an’ny Malagasy ilay atao hoe “nosy sambatra”!”

Te hiavaka hatrany dia manao ny tsy fanao?
Ny vahiny no efa re manjakazaka tao ho ao.
Ny tany tapitra bodoiny, ibahanany ny lasy.
Sao tsy “tompony” intsony f’efa “mpindrana” ny gasy?

Te hiavaka hatrany dia manao ny tsy fanao?
Sao dia “veliranom-poza”, mijoroa ka hazavao,
Fa tena tsisy ny mangirana, misasaka ny taom-piasana.
Raha toa ka manahirana, apetraho ny fialana!

DADAN’i RIANA (23-06-21)