EDITO 22 Jona – Tsy misy ny politika mazava hanasoa ny tanora malagasy

Radafy

Ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny ankizy isika eto Madagasikara amin’ity volana jona ity, kanefa tsy tokony ho adinoina ihany koa ny zatovo sy ny tanora. Ny ankizy ihany no ho zatovo sy tanora aoriana kely. Ireo anefa no ambara mandrakariva fa ho avin’ny firenena. Raha ratsy fikarakarana sy fanomanana ireo dia ho toy izay ihany koa ny ho avin’ity firenena ity.

Milaza ho mijery sy mitsinjo ny momba azy ireo ny fitondrana. Nidedahana mihitsy izany raha nankany amin’ny faritr’i Soalala iny ny filohan’ny Repoblika Rajoelina andro maromaro lasa izay. Tena izany tokoa ve anefa no ataony sy ny fitondrana entiny? Iaraha-mahita ny zava-misy. Rehefa miresaka fikarakarana sy fanomanana ny tanora Malagasy izay, dia ao anatin’izay ny momba ny sakafony, ny fahasalamany, ary ny fampianarana. Miara-mahalala ny zava-misy ao anatin’izay ny rehetra. Miharihary ny olana atrehin’ireo mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra, fa ny misongadina amin’izao fotoana izao, dia ny eny amin’ny Anjerimanontolo manerana ny faritra. Nisy ny fitokonana nataon’izy ireo, fitakiana ny momba ny ahafahany mampandeha ny fianarany, dia ny vatsim-pianarana sy ny kojakoja fampitaovana ny fianarany. Tsy tokony hisy izany hetsika izany raha nomena laharam-pahamehana hatrany am-piandohana, fa ity fitondrana Rajoelina ity dia miavaka amin’ny fomba fiasany tsy toy ny hafa, fa tsy taitra sy tsy mitady vahaolana raha tsy efa “omby loha ny rovitra”. Misy mihitsy ny mpianatra mamoy ny ainy ao anatin’izany. Ny tsikaritra dia toa vitavitaina ho azy amin’izao ny raharaha momba ireny. Efa ho hafiriana izay mbola tsy hita soritra mazava ny fizotry ny hoe fanadihadiana atao momba ny nahafatesan’ilay tovolahy tany Toamasina. Avela hangingina ao ve, fa inona no antony? Ary fanaovana z’inona ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony mihitsy ny filazana, fa misy mpamporisika na mpanome vola azy ireo isak’izay fitokonana ataony. Tena fanambaniana ny tanora Malagasy zanaky ny sarambabem-bahoaka izany. Ireo anefa no antoky ny ho avin’ity firenena ity. Mazava loatra sy miharihary fa tena mifanohitra mihitsy ny fomba fijery sy ny ambaran’ity fitondrana ity. Eo milaza fa mitsinjo izay hahasoa ny mpianatra, avy eo daroka lakrimôzena, fitifirana hampisy rà mandriaka no asetry ny hetsika ataony; lazaina fa tsy nahimpon’izy ireo ny hetsika ataony fa misy ao ambadika.

Miharihary fa tsy manana politika mazava momba ny tanora Malagasy ny fitondrana Rajoelina. Ny lasitra amin’ny fampianarana sy fanabeazana omen’ny fitondrana azy ireo dia misy aloky ny fitondrana frantsay hatrany, izay mifamatotra tamin’ny politika maloton’ny fanjanahantany nampihariny teto amin’ny firenena. Mazava loatra, fa tsy mampivelatra izany fa mamoritra sy mangeja saina. Koa raha hitsinjo ny zaza sy ny zatovo ary tanora Malagasy marina ity fitondrana Rajoelina ity, dia ataony ho vaindohan-draharaha lalina mihitsy ny fanovàna izany, fa tsy amboamboarina ho amin’ny fiarovana ny tombontsoa frantsay eto. Na ihany koa resaka mampandry adrisa fotsiny handemena ny saim-bahoaka amin’ny zavatra atao tapi-maso etsy sy eroa. Hadisoana bevava amin’ny firenena sy famitaham-bahoaka avo lenta izany.