Fampandrosoana ketrehan’ny mpitondra – Tsy mazava mihitsy ny paikady mamaritra izany

Andry Tsiavalona

Tsy hifanindry an-dàlana na oviana na oviana ny fomba heverina fa hampandroso haingana ity Firenena ity, raha ny fandinihan’ny mpitondra sy ny mpanohitra an’izany no fakafakaina.

Tsy mazava mihitsy mantsy etsy andaniny, izay tena mamaritra ny fampandrosoana ketrehin’ny mpitondra ao anatin’ireo lazaina fa vinan-dRajoelina Andry, satria maro loatra ary miovaova ireo entina maneho izany. Tany am-boalohny dia ny IEM (Initiative Emergence Madagascar), izay novaina ho “velirano” nandritra ny fampielezan-keitra nataony. Tsy nijanona teo ny fanovàna fa nantsoina PEM (Programme Emergence Madagascar) indray ary lasa “Plan Marshall”, izay PgE (Programme Général de l’Etat) ary ny malaza amin’izao fotoana izao dia vohizina mafy ny “tetikasan’ny filohan’ny Repoblika” ary namoronana rafitra misy tale jeneraly mihitsy izay azo heverina fa mitantana ilay tahiry, izay mitentina 1 400 miliara ariary. Marihana anefa fa volam-bahoaka io, ka tsy eken’ny saina ny filazana fa tetikasan’ny filohan’ny Repoblika izay rehetra vatsiana amin’ity vola ity.

Niaraha-naheno ny kabarin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, fa volam-panjakana madiodio no entina manatanteraka ireo tetikasa any Atsimon’ny Nosy ireo. Tsara ho fantatra anefa fa efa nahazoana famatsiam-bola ny làlam-pirenena faha-13 sy faha-10 ary ireo fitaovana vaventy entina manao ny asa isan-distrika dia nalaina tany amin’ny orinasa vahiny, izay saika nampiasa azy ireo tamin’ny tetikasa tsy neken’ny mponina tany an-toerana saika nanaovana ny asa. Araka izany dia azo heverina fa io vola tantanin’ny fiadidian’ny Repoblika io no tokony hamatsiana ny tetikasa any Atsimo, satria tsy voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana amin’ity taona ity mihitsy. Heverina fa adidy tsy maintsy sahanin’ny fitondrana ny mampahafantatra ny mpiray tanindrazana izay vola natokana ho tantanin’ny fiadidiana ny Repoblika, satria tsy sarotra ho an’izao fitondrana izao ny manodinkodina vola na dia efa natokana ho an’ny rafitra iray aza izany.

Tsy adino ny nilazan’ny minisitry ny Tetibola sy Toekarena, fa tsy navela nampiasain’ny tao amin’ny Antenimierandoholona, fa nalefa tany amin’ny kere sy hananganana Oniversite any amin’ny Faritra. Ny firenena vahiny no manampy ny mponina any Atsimo tratry ny kere ary raha jerena ny rariny sy ny hitsiny dia laharam-pamehana ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra any amin’ireo Oniversite, izay tsy tokony hiandrasana fahavitana “carte visa” intsony. Tsy ho vita afaka volana roa na telo ny fantson-drano hitarihana rano kasaina hatao, fa ny maika tena maika kosa dia ny fandefasana tafika sy fitaovana entina mamerina haingana ny fandriampahalemana any Atsimo, satria miatrika loza roa, ny haintany izay miteraka tsy fahampian-drano sy kere ary ny tsy fandriampahalemana, ny any an-toerana.

Tsy takona hafenina eto amin’ny Firenena fa ny fibodoan’ny vahiny tany kanefa dia izy ireo indray no arovan’ny lazaina fa “mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ary ny vahoaka tompon-tany indray no roahina miala eo amin’ny taniny. Misarika ny saina hieritreritra fa ireo vahiny ireo ve no namatsy vola ny fampielezan-kevitry ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, ka izany fomba izany no azon’ity farany hanefana izany famatsiam-bola azy izany. Araka ny fantatra ihany koa dia ny vahiny no nanampy azy tamin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ary tamin’ny tetezamita dia efa nisy koa izany fibodoana tany izany ary iaraha-mahita ny eny Ankadimbahoaka.

Tsy eto an-drenivohitra ihany no misy ity toe-draharaha ity, fa misy tetikasa mampanahy ny mponina any amin’ny nosy iray any Avaratra Atsinanan’i Nosy Be any, ny Nosy Mitsio, izay tsy mazava, iza no tompon’ny tetikasa sy mamatsy vola. Ny azo antoka dia ho lasan’ny olona na fikambanana manana ny tetikasa ambongadiny io Nosy io, ka mila fanadihadiana lalina ity raharaha ity, mba tsy hiatrika zavatra efa mitoetra (fait accompli) indray ny mponina any amin’ity nosy izay tena mbola azo lazaina fa mikajy ny fiarahamonina Malagasy tokoa.

Ny vahoaka ihany no afaka miaro ny fananany ary zony izany, ka mitaky firaisankina satria trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalen-kialofana ny toerana misy ny fiarahamonina eto amin’ity Firenena ity.