RAIN’NY MALAGASY ?

Tena rain’ny Malagasy? aoka tsy hanavakavaka.
Tanteraho ny velirano f’aza ajanona ho ravaka.
Tamin’ny androm-pifidianana, mety ho nisy fifandonana,
Fa izao mba mijoroa ho tena rain’ny fampiombonana.

Tena rain’ny Malagasy? aoka izay ny fidedahana.
E! ny fiainam-pirenena, tena mikorosy fahana.
Aza dia variana intsony ny mampanantena volana,
Fa ny asa no atreho dia ‘ndeha mikaro-bahaolana.

Tena rain’ny Malagasy? aoka tsy hanavangavana.
Ny vahoaka tsy ankanavaka, samy anehoy fitiavana.
Fa tsy hoe ity mahantra, itsy tsy mpiray antoko,
Dia anaovana antsojay na koa terena hiova loko.

Tena rain’ny Malagasy? Aoka izay ny fiandaniana.
Dia meteza hihaino ny hafa f’aza faly hanao izay tiana.
Ny fihainoana ny mpanohitra dia midika ho fahendrena,
Ary ny an’ny firenena, izay aloha vao ny an’ny tena.

Tena rain’ny Malagasy? aoka ho rain’ny fampihavanana.
Tsy hijery fiaviana na karazam-pirazanana.
Aza avela hangataka atiny fa tompony ny Malagasy,
Ary aoka tsy ho vahiny no hibahana eto an-dasy.

Tena rain’ny Malagasy? aoka ho rain’ny fanavaozana,
Ka ny fomba tsy mahomby, tsara indrindra raha hilaozana.
Madagasikara miavaka, sangany eto Afrika,
Izay no tena ilofosy sady ataovy tanjontsika.

DADAN’i ZINA (20-06-21)