EDITO 8 Jona – Fitondrana Rajoelina sy kianja manara-penitra Manampi-maso ny vahoaka amin-javatra tsy ilainy maika indray

Sôh’son

Isarangotan’ny fitondrana Rajoelina avokoa ankehitriny izay azo hisarangotana rehetra, ka tokanana avokoa hatramin’ny asa izay tokony ho minisitra ihany dia efa ampy hahavita izany, sy mifanandrify amin’izany.

Niedinedenana ery ny fitokanana ny kianja tany Mahitsy Ambohidratrimo ny faran’ny herinandro teo. Nanao avo vava hatramin’ny minisitry ny fanatanjahantena tany an-toerana nihantsy ireo izay manakiana ny fanamboarana kianja toy ireny. Miharihary fa tsy mahalala ary tsy mahafehy ny olana fototra iainan’ny zaza sy ny tanora Malagasy velively ny tenany. Raha tena mahafantatra izany marina dia tsy be vava toy ireny, fa miaiky fa mbola sarotra ny làlana izoran’ny zanaky ny sarambabem-bahoaka indrindra amin’izao fotoana izao, fa tsy vitan’ny fisehosehoana toy ireny. Lasa tonga ao an-tsaina ho azy ilay fitenenana hoe “ny tapany ihany no mikobana”.

Mazava loatra fa mandany andro midodododo amin’ny zavatra tsy maha maika ny vahoaka ny fitondrana. Ny laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka na ny sarambabem-bahoaka izao, dia ny fahasahiranana lalina iainany andro aman’alina, sy ny fahantrana amin’ny lafiny rehetra mangeja manempotra azy. Tsy hampitombo ny vola miditra amin’ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano mahantra ny fahavitan’ny kianja toy ireny n’inona n’inona vava atao. Ho mpitan-damba fotsiny aza ny maro, fa tsy ho isan’ny mahazo vahana ao anatin’izany.

Iaraha-mahalala tsara, fa volabe isan’ora no haloan’izay hilalao baolina kitra amin’ireny kianja tsy ara-boajanahary ireny, ary fitadiavam-bolan’izay tomponandraikitra nanao azy, sy izay mikarakara azy izy ireny amin’izao fotoana izao. Iaraha-mahalala tsara izany amin’ireo kianja amin’ny toerana eto an-drenivohitra sy ny any amin’ny manodidina. Misy ny tsipaipaika ataon’ireo mpilalao na raha manan-katao ny mpitarika azy ireo dia io no mandoa ny volabe. Ny tsikaritra anefa dia tsy mahavita miverimberina matetika milalao amin’ireny kianja ireny izy ireo noho antony ara-bola ihany. Ny zanaky ny sahirana araka izany hitazana fotsiny tsy mba hianoka amin’izy ireny velively, fa an’izay manam-bola ihany no afaka hilalao. Koa tsy midika ho misy fiangarana ara-tsosialy ataon’ny fitondrana indray, toy ny efa hita amin’ny resaka fizarana fanampiana fitsinjovana ny sosialim-bahoaka hatramin’izay ka mandraka ankehitriny ve izany?

Fa ankoatra izay, mahavariana ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika nampiandraikitra ny mpanazatra frantsay Nicolas Dupuis hisahana izany akademian’ny fanatanjahantena avo lenta eto Madagasikara izany. Andaniny, miendrika fihantsiana ihany ary manohy ny adiny amin’ny federasiona Malagasy sy ny filohany izao fihetsiny izao. Misarika ny saina hanamafy indray ny nambara teto ny amin’ny firifan’ny fitondrana bebe kokoa hampiditra ny politika amin’ny sehatry ny baolina kitra izany. Ankilany, toa maneho ny tsy fiheverana mihitsy izay mpanazatra teratany Malagasy izany ary toa manilika azy ireo mihitsy tsy hahazo sehatra ambony toy izany. Dia tena tsy misy mpanazatra Malagasy manana fahaizana amam-pahalalana avo lenta mihoatra noho io teratany frantsay io ve izany?

Maro ny resaka mbola tiana horesahana momba ity sehatra ity sy ny fihetsiky ny fitondrana. Ny hamaranana azy aloha dia ny fahitana mazava, fa tsy mankany amin’izay politika mitombona mifototra marina amin’ny fanarenana ny fitaizana sy ny fanondrotam-piainana ny zaza sy ny tanora malagasy amin’ny ankapobeny mihitsy izao fitondrana izao.