ILAY AFERAM-BOLAMENA

Volamena 73,5kg tratra tany Afrika Atsimo

Inona no niafaran’ilay aferam-bolamena?
Taratry ny fitsarana izay tsy mahaleotena?
Ny notanana any am-ponja dia tsy misy afa-tsy pirina.
Ny vaventy dia nantsoina, saingy avy eo tsy nampidirina!

Atahorana hipoitra ve ny zavatra nafenina,
Ka mikoropaka ny ngeza sady toa mipenimpenina?
Nalefa ny mpisolovava, izao no zava-nokendrena,
Dia ny hamerenana haingana ireo bolongam-bolamena.

Saingy, sanatria tsy donto ireo mpitsara novantanina,
Sady tsy ny be afera fa ny tena matihanina,
Ka indreo niveri-maina ny iraky ny fitondrana.
Tsy namokatra ny tetika, diso ny fanantenana!

…Indreo miriaria ny ngeza nefa tokony hofaizina.
Toa arovan’ny mpitondra ireo nanao ny asa maizina.
Dian-tanan’iza izany no mihelohelo ao,
Matoa mihisatra tanteraka ny afera maizina toy izao?

TSIMIMALO (06-06-21)