EDITO 1 Jona – Fampianarana – Tsy voapetraka amin’ny toerana sahaza ho azy ny raiamandreny

Aris

Nisongadina nanamontsanana ny fiainan’ankohonana na fianakaviana, ka nampihena ny lanjan’ny ray aman-dreny sy ireo raiamandreny mendrika hohajaina fatratra ireo taona folo farany teto amin’ny firenena. Nipoitra tamin’ny fotoanan’ny fanonganam-panjakana izany, izay namingavingana azy ireo na ihany koa ireo lehibe teo amin’ny sehatra samihafa hatrany amin’ny saropady tena ilàna fanajàna tanteraka. Mipetraka ho tantara ny zava-nisy teny amin’ny toby Ampahibe ny taona 2010, namingavingan’ny miaramila tokony ho baikoina ny manam-boninahitra ambony ministra.

Fositra iray lehibe sy aretin-dratsy mitady hikiky ny soatoavina maha Malagasy, sy manapotika ny fototra mampijoro ny fahendrena Malagasy ny fironan-tsaina sy fiheverana misisika, fa mila omena toerana ny tanora ary tokony hipetraka hiàla sisiny amin’izay ny olon-dehibe sy zokiolona eo amin’ny fitantanam-pirenena. Noezahina novoizina io nanomboka ny taona 2009 nikotrehin’ireo olom-bitsy ny fanonganam-panjakana teto. Tena niharihary fa niniana nikimpiana fotsiny tsotra izao, tao anatin’izany, ny tena maha Malagasy ny Malagasy. Fa hamolavola tanora Malagasy manao ahoana moa no tiana hotratrarina tamin’ny tanjona nanomboka ny taona 2009 no mankaty, ho an’ireo mamba noana amin’ny fahazoana seza sy fitondrana? Tsy misy soritra mazava ny amin’izany, fa mandeha fahoany fahoany fotsiny. Rehefa mahazo seza sy fitondrana ary migoka tombontsoa manokana dia izay. Loza mitatao ho an’ny firenena izany. Tsy mieloelo an-doha mihitsy amin’io ilay teny fananarana “mitsipa-doha laka-nitana”.

Tsy hita mazava hatreto, ao anatin’izao fitondrana izao, ny fanomezan-kasina ireo ray amandreny sy raiamandreny izay zokiolona ireo. Nisy fotoana noviraviraina mihitsy aza teto amin’ny firenena ny anarana “loholona” teny amin’ny toerana izay noheverina anomezan-kaja amam-boninahitra azy ireo. Niseho niharihary izany teny amin’ny Lapa natokan’ny firenena ho azy ireo. Nisy olona mbola tsy nipia-bolo akory, fa azo lazaina ho zandry olona aza, dia tsy henatra tsy tahotra nieboebo teny. Vao tsy ela ihany koa, voatendry na voafidy ho loholona no nanao fihetsika tsy mendrika sy tsy maotina maha mendrika an’izany sokajin’olona izany. Mazava loatra, fa tena nampikorosy ny lanja sy manapotika ny amin’ny fiheverana azy ireo izany, ary tsy maintsy hisy fiantraikany ihany koa eo anivom-piarahamonina.

Ny ray aman-dreny fanàja, fa izy ireo no loharano nipoirana, ary tsy hahasoa velively ny fanaovana tsinontsinona azy ireo. Maneho ny fiongotam-paka rahateo ny fanilihana ny raiamandreny eo amin’ny seha-pitantanana ny firenena. Maneho tsy fahamatorana tanteraka sy hamaivanan-tsaina ihany koa ny fieboeboana fa mahavita tena irery ny tanora ary tsy mila miaraka amin’izy ireo eo amin’ny raharaham-pirenena. Tsy hisy firenena ho vanona, fa hanapotika mihitsy azy aza, raha manome vahana io fisainana tsy mandinika lavitra io. Fa mbola feno fahendrena lalina ilay fitenenana hoe ”ny ela nihetezana lava volo”, ary misy dikany lehibe ny fanantitranterana ny fanajàna azy ao amin’ny baiboly kristiana. Tsy hita soritra ezahin’izao fitondrana izao mba hitoetra izany.