Mpitandro filaminana – Manampatra fahefana amin’ny tsy tokony hampiasany azy

Andry Tsiavalona

Rehefa atao ny tombana eo amin’ny fananan’ny rafitra rehetra eo anivon’ny andrim-panjakana isan-tokony, sy isan’ambaratonga dia ny foloanlindahy no manana fitaovana raitra sy « manarapenitra » indrindra eto amin’ity firenena ity. Ny tsapa anefa dia ity andrim-panjakana ity no manampatra fahefana sy mampiasa izany amin’ny tsy tokony ampiasana azy. Rehefa atao jery todika ny tranga rehetra nanomezana baiko tanterahin’ity rafitra eo anivon’ny fitondrana ity dia tsapa amin’ny alàlan’ny tranga rehetra, fa ny mpiray tanindrazana tsy manana hery sy fitaovana mifanentana entina miatrika ny tsy rariny ampiharina aminy no ampiasana ireny fitaovana ireny.

Porofon’izany ny tranga tany Midongy Atsimo izay nanafihan’ny dahalo aman-jatony sy nangalany ireo omby aman-jatony ary ny fandorana ny tanàna kanefa dia ny sivily amam-polony sy miaramila no lavo, ka tsy nisy afaka nampiasa ny fitaovana raitra eo am-pelatanana ny tafika. Ny nanaitra kely dia ny hetsika sy ny fomba nahafahana namerina ireo omby dimampolo ambizato tamin’ireo dimanjato lasan’ny dahalo tany Midongy Atsimo iny. Raha jerena tokoa mantsy ireo lavo tamin’ny fanarahan-dia natao dia moramora tsy nisy poa-basy sy tsy nisy lavo kanefa dia tafaverina ny omby dimampolo ambizato.

Anisan’ny manana fahefana sy fitaovana (famoahana didy sy fampiharana lalàna) tena azo hampiasaina hiarovana sy hanomezana rariny ny mpiray tanindrazana tokony hisitraka izany. Raha ny zava-nisy hatramin’izao anefa dia ity rafitra iray amin’ny fahefana (pouvoir) telo misy eo anivon’ny fitondram-panjakana ity, no tena tsy afaka mampihàtra izany fahefany izany satria tsy manana ny fahaleovantenany, fa baikon’ny fahefana mpanatanteraka.

Porofon’izany ny fampidirana am-ponja ireo olona heverina fa tsy manana andraikitra sy fahefana nahafahany namoaka ny volamena 73,5kilao tratra tatsy Afrika Atsimo. Efa hoenim-bolana izao no nitakiana ny famoahana ny anaran’ireo “trondro vaventy” tafiditra tamin’ity raharaha ity. Tamin’ny herinandro lasa iny dia niaraha-nahalala ny nampidiran’ny PAC am-ponja ny tale jeneralin’ny ACM, izay azo antoka fa anisan’ireo “trondro vaventy”. Taitra avokoa anefa ny mpanara-baovao rehetra fa indray alina fotsiny no nijanona tany am-ponja izy, ka nitabataba ary naverina any am-ponja indray satria nolazaina fa nanao famindran-draharaha ihany no namoahana azy. Niparitaka ny vaovao, fa hivoaka daholo ny anaran’ny olona na tandapa voasaringotra amin’ity raharaha ity raha notazonina teny am-ponja ity tale jeneraly ity, ka hisy tokoa ve izany izao ny famoahana am-pahibemaso ireo “trondro vaventy” hafa? Efa tranga mahazatra moa amin’izao fitondrana izao ny mandroso mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra, ka ho hita izay havoaky ny ampitso.

Tranga tena nanaitra sy nanafintohina ny maro tokoa ny fanatanterahana baiko nataon’ny polisy teny Itaosy nampiasa hery tamin’ny mpivarotra anana sy legioma. Ny manahirana dia mahery fiavy amin’ny mpiray tanindrazana tsy manana fitaovana entina manohitra ny tsy rariny hampiharina aminy, no manampatra fahefana ny “gasy” taranaka sonegaly mahazo baiko. Ny tena zava-doza dia misy ny peta-drindrina mandrara ny fivarotana kanefa dia tsy neken’ny Praiminisitra izany, ka manaporofo indray izany fa tsy milamina mihitsy ny ao an-tampony ao kanefa dia voasoratra fa tsy maintsy rava ny fitondrana miady an-trano. Na izany na tsy izany ny kibo tsy lamosina ary rehefa noana ny kibo dia mivezivezy ny fanahy, kanefa etsy ankilany koa ny hery tsy mahaleo ny fanahy.