VAO MANDEHA MIANTSENA I DADA…

Vao mivoaka mba miantsena i dadanay dia efa loza,
Fa toa romotra daholo, miakatrakatra ny foza.
Nohamafisina ny didy, nampiharina ny sazy.
Tena tratry ny antsojay ireo nitehatehaka azy!

Tena gaga ny rehetra, toa tsy nino velively,
Ny amin’ny fomba tena ambany izay nataon-dry Naivokely.
Tsisy zavatra antenaina ny amin’ny olona toy ireny.
Mba voafidy saingy indrisy, henatry ny fireneny!

‘Zany no aina ka nahoana no dia tia mibahambahana?
Fa ho an’iza irery ihany izany atao hoe fahafahana?
Sa dia ny mpitondra hatrany sy ‘reo mpila sitraka aminy,
No hisotro ny tantely sy hianoka ny maminy?

Tsy mba takatry ny sainy fa ny hamafin’ireo fingana,
No vao mainka toa manainga ireo mpanohitra hanao dingana,
Sady hamerina ny lazan’ilay dada nohosena,
Nefa dia mijoro hatrany, tsy mataho-maso mena!

IRINA HO TAFITA (30-05-21)