Mandohalika eo anatrehan’ny Fondation Akbaraly ny fitondrana Rajoelina

20 .04.2021 - Miara-manonja

#Miaramanonja #Ylias #Akbaraly

Vonison Andrianjato

Rehefa lasa tanteraka ny frantsay tamin’ny nanonganana ny repoblika voalohany dia raikitra ny ‘complot politique’ lavareny. Ny toetsaina repoblikana mbola narefo satria 12 taona fotsiny no naharetan’ny fanjakan’ny filoha Philbert Tsiranana. Samy tsy mahafehy an’i Madagasikara ny mpanao politika, ny zesta no lasa aloha, ny mpanorovoana maro dia maro. Samy milaza ho tia tanindrazana ny mpanao politika fa rehefa voa tamin’ny hevi-dravona dia mitsoaka mamonjy an’i renimalala manavotra aina.

Ny filoha Philbert Tsiranana, maty tao Befelatanana. Ny profesora Albert Zafy sy ny filoha Marc Ravalomanana irery no sahy niatrika teto na inon-kidona na inon-nihatra. Ka dia ‘complot sur complot’ no nitranga teto Madagasikara. Izay nahazo fahefana dia tsy nisy nihevitra hijery vahoaka mihitsy fa hoatrany miandry “ny tody tsy misy fa ny atao no miverina” fotsiny nitanana fahefana no tena foto-keviny.

Lesona notsoahina tamin’izany rehetra izany no nentina nandrafitra ity tolona “Miara-manonja” ity. Miantehitra amin’ny kabarin-Janahary. Maneho hevitra an-kitsipo. Tsy maika tsy faingana. Tsy miteny tsy misy porofo. Mihezaka ny ho ‘opposition intelligente’ na malala fomba. Tsy manao sorona ny vahoaka. Mianatra ny misy eto Madagasikara. Mivonona hanao ‘alternance démocratique’, “hevitra fa tsy vola” no fotokevitra nananganana ny tolona nandritra izay fotoana efa lavalava izay.

Mila mahay an’i Madagasikara ny mpanao politika, Madagasikara izay tsiriritin’olona saingy mitavozavoza isika ka efa fehezin’ny karana ny 60%n’ny toekarena. Lasa karana no ‘faiseur de rois’ na mpanendry eto Madagasikara. Mazava izany fa manakarembe ity Madagasikara ity matoa fita-kitro ireo karana ireo. Teto ihany no naka izy ireo ary nianatra ny fomba hitantanana harena tamin’ireo malagasy, Efa ‘questeur’, mpitantana vola tao amin’ny Antenimierandoholona ny tao amin’ny Fondation Akbaraly tamin’ny vanimpotoana sasany. Io Fondation Akbaraly io dia lohalarana amin’ny filalaovana volamena eto Madagasikara. Rehefa tafapetraka ny ‘sécurité aéroportuaire’ teto Madagasikara dia saika hanafatra ‘hélicoptère furtif’ tsy tratran’ny ‘radar’ ny sasany tamin’izany fotoana izany. Ny tantara dia mbola hitohy.

Nangonin’i Lanzelo

Ny Fondation Akbaraly dia natsangan’i Cinzia Catafalmo, teratany italiana, vadin’i Ylias Akbaraly, izay mitantana ny Groupe Sipromad, isan’ny namatsy vola (4 miliara ariary) tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Isan’ireo voatonona tamin’ny raharaha Panama Papers, fanodinkodinambola koa i Ylias Akbaraly. Misy azy daholo ny sehatra matanjaka eto Madagasikara, ary eo ambany fifehezany ny ao an-dapa. Ny Fondation Akbaraly ankehitriny no miantso fivoriana any amin’ny foibeny ny solontenan’ny fiadidiana ny repoblika, miantso ny solontena avy amin’ny governemanta, miantso ireo ambasady. Tsy voahaja intsony ny aro fenitry ny repoblika. Tsy ny fiadidiana ny repoblika no miantso fa ny karana indray izao no mampiantso filohampirenena.

Rohy
https://fr.wikipedia.org/wiki/Ylias_Akbaraly
https://youtu.be/wat_oWkpc30?t=7237
https://youtu.be/wat_oWkpc30?t=5452
https://mcmparis.wordpress.com/2016/03/01/ylias-akbaraly-sipromad-lhomme-le-plus-riche-de-madagascar/