IREO MPILOMANO ANATY FOTAKA

Moa lany olo-marina ny firenena,
Fa raha vao mijery ireo vao notendrena,
Dia kivy ny saina, ny fo sy fanahy,
Hoe akarina an-tsehatra ve ny jiolahy?

Sa dia inona loatra no tena kendrena,
Fa dia valaketraka ihany ny tena,
Mahita ireo havana akaikin’ny ngeza,
Nakarina lapa sy nomena seza.

Manjaka ny resaka fianakaviana,
Fanilikilihana ireo ‘zay tsy tiana,
Fa ranona ihany sy ny havany foana,
No hita mibahana eroa anoloana.

Tsy ‘reo efa hita ho madio sady tsotra,
No mba nofantenana hiara-mizotra.
Fa ny efa mpibizina sady mpanotra,
Dia ‘reo voky tsolotra ka botrabotra!

Manjaka ny resaka kitranoantrano.
Mitombo ireo olo-mahay milomano,
Ka fota-mandrevo dia hita irobohana,
F’izany hono izy raha hoe mifanohana!

DADAN’i ZINA (19-04-21)