TAMIN’ILAY KABARY FARANY…

Tamin’ilay kabary farany, nisy indray ny fampiandrasana.
Asa angamba, mbola revo tamin’ny hananganam-pasana?
Tsy mba hoe ny vakisiny, izay no tokony hoezahina,
Fa dia fasana no maika ka tsy maintsy noresahina?

Tamin’ilay kabary farany, tsisy fanajana lera.
Iza loatra no tsy matotra, sa variana mihoerahoera?
Zava-tsarobidy loatra izany fanajam-potoana,
Sa iniana hamaivanina ho anareo mpanaonao foana?

Tamin’ilay kabary farany, resabe hatrany no heno.
Moa niniana nohadinoina ny amin’ny tosika fameno?
Sa variana naka rivotra ka dia tena tsy tsaroana
Ny fisian’ny olo-maro, very asa, maty noana?

Tamin’ilay kabary farany, tsisy zava-nisongadina,
Fa nivaona izay nalahatra, tsy araka ny lazaadina!
Vatsy no mba nantenaina, fanafody no nandrasana,
Hay ny tena vahaolana dia ny fananganam-pasana!

Tamin’ilay kabary farany, tsisy zavatra nivaingana.
(Misy dodona sy maika saingy indrisy fa tsy faingana!)
Misy ihany ny fitsipika tena tokony hapetraka.
Ny azy fasana no maika, izay no mampivalaketraka!

DADAN’i RIANA (20-04-21)