EDITO 31 Desambra – Hisy fihodinana faha-2 – Misy “fuite” sahady ny kabarin-dRajoelina

Sôh’son

Mifarana ihany ity ny taona, izay mafy ny niatrehan’ny vahoaka Malagasy azy izay. Mila tsy ho andry izay hahataperan’ny 365 andro, ka hanilihana azy hiatrehana taona vaovao izay mba hanirian’ny fanantenana kely mitsilopilopy.

Vao nampidirina hiatrika ny fihanaky ny covid-19 mantsy ny firenena, dia zary lasa maizin-kitroka ny hoavin’ny vahoaka Malagasy. Nikorontana ny fiainam-bahoaka tamin’ny ankapobeny. Ny fomba fiasa sy ny fihetsiky ny fitondrana rahateo tao anatin’izany vao mainka nampivakivaky ny firaisankinan’ny fiaraha-monina, noho ny niangarana ny ampahana vahoaka. Tsy mbola sitrana io aretina io mandraka ankehitriny any amin’ny fokontany sy tanàna maro samihafa eto amin’ny firenena. Hadisoana bevava anankiray nataon’ny fitondrana tamin’ny vahoaka Malagasy izany. Ity fitondrana Rajoelina ity anefa tsy mba mahay miaiky fahadisoana izay, fa ny hainy dia ny manilika izany amin’ny hafa hatrany. Ny antsoina hoe « Olom-panjakana », na « homme d’Etat » anefa, no iaraha-mahalala mahay manao izany avy hatrany sy mahatsiaro ho tomponandraikitra mandrakariva, fa tsy mitsoa-pahana amin’ny asa nampandraiketin’ny vahoaka azy.

Raha akapoka atao indray mijery, tsy fahombiazana ny asa nataon’izao fitondrana izao tato anatin’ity taona ity. Tsy misy ialàna bala izany, satria miharihary ny vokatra azo, izay miiba. Miainga any amin’ny kitapombolan’ny isan-tokantrano io miiba io, satria tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana, mitohy, ohatra, ny fidangan’ny vidim-bary, ny laoka, ny atody, sns… kanefa ny vola miditra tsy misy fitomboany na kely aza. Maro amin’ireo loham-pianakaviana aza no very asa noho ny fepetra noraisin’ny fitondrana ihany, ary tsy misy vahaolana izany na kely aza hatramin’izao sy ho amin’ny hoavy. Mahazo ny sarambabem-bahoaka io fiainana miiba io, ary mazava loatra fa mahadona ny firenena manontolo. Miendrika fanesoana sy fanompana ny vahoaka Malagasy mihitsy aza ny filazana ny fisongadinan’ireo karana roalahy tompona orinasa roa lehibe eto amin’ny firenena, izay nambara ho niavaka ny orinasany tamin’ity taona ity. Tsy misy izay tsy mahafantatra ny ataony eto amin’ny firenena sy ny fangoron-karena, manararaotra manao tantely afa-drakotra, ataon’ireo anefa. Mbola resaka hafa horesahana amin’ny manaraka koa ity fanomezana fizakana ny zom-pirenena Malagasy ity, fa ohatran’ny misy tsy milamina araka ny fitenenana.

Fa hanao kabary toy ny isan-taona anio alina amin’ny valo ora i Andry Rajoelina. Mahavariana aloha fa efa fantapantatra mialoha sahady ny hambarany amin’izany. Hatramin’ny halavan’ny faharetan’ny kabariny efa misy mamoaka amin’ny fitaovan-tserasera samihafa. Toy ny mampahatsiahy ilay zava-dratsy “fuite” tamin’ny fanadinam-panjakana bakalôrea taom-pianarana 2018-2019 izany. Toy ny misarika ny saina hihevitra fa tompon-daka amin’izany ity fitondrana ity. Niaraha-nahalala, fa niseho ihany koa izany toe-javatra izany tamin’ny sehatra hafa. Izany eo ihany, fa tsy mila mametraka fanontaniana intsony ny maro ny amin’izay holazaina na dia hoe efa fantapantatra izay aza. Na tsy fantatra aza, dia efa voavisavisan’ny vahoaka indray ny holazainy eo. Efa fantatry ny maro mantsy ny toetrany sy ny fomba fiasany ary ny resabe fanaony mampandry adrisa amin’ny teny tsara lahatra. Ary nanamboatra saina efa hatramin’ny ela ny rehetra, fa ho vola kankafotra ihany ny fiainany isan’andro n’inona n’inona hambarany eo. Tsy hampitombo na ariary iray ny vola hiditra any amin’ny kitapom-bolany. Tsy manantena n’inona n’inona aminy intsony ny maro, fa ny nanaovana azy tamin’ity taona nivalona ity aza tsy nisy fanafodiny avy hatrany akory. Toy ny fiasa ratsin’ny taxibe ankehitriny ihany no fiasan’ilay lamasinina lazaina ho haingam-pandeha.