HAVAVAFO NY RANOM-BARY!

Mbola tantinao zakaina ve ny zava-toy izao
Fa taona roa anie no lasa saingy tsisy ny mangirana!
Toa mihoerahoera fotsiny ito ilay filohanao,
Kanefa isika, ‘ndeha jereo fa toa vao mainka mihasahirana!

Mbola tantinao zakaina ve ny zava-toy izao
Kanefa fitaka sy lainga no natao nipoapoaka?
Vary mora, jiro mora, misy izany ve, lazao,
Sa tena fampandriana adrisa, famitahana vahoaka?

Amin-java-maromaro dia isika anie no « rambony ».
(Nefa ry zareo mpitondra, toa tsy mety hanaiky izany!)
Aiza re ity fidedahany, tahaka ny inona ny hambony.
‘Zao dia mbola hoe “aty ny mason’olona eran-tany”!

“Zato andro” fanineniny, ‘zany no efa nodiavina,
Saingy toa vao mainka maina, bobongolo ny vilany!
Izao no zava-misy marina, sady tsy azon’iza lavina:
Fari-piainan’ny vahoaka, mitotongana hatrany!

Toa tsy mety hanetry tena, toa tsy mety hijery ny hafa
Ireo mpitondra ankehitriny izay nahazo fahefana.
Raha vao hoe miseho vahoaka, indrindra indrindra raha mitafa,
Dia ny fandokafan-tena, izay hatrany no mafana!

… Mbola tantinao zakaina ve ny zava-toy izao?
(Tsy halohalika fa efa havavafo ny ranom-bary!)
Kirin’antitra no sisa ataon’ireo mpitondranao
Fa raha jerena dia ny “lohany” no efa tena tsy manjary!

TSIMIMALO (23-12-20)