Rmdm Mahajanga – Nahavita ny fivoriany na nodidinin’ny mpitandro filaminana aza

Stefa

Nanatanteraka fivoriana ny faran’ny herinandro teo ny mpitarika ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara, tao an-drenivohitry ny faritra Boeny.

Araka ny vaovao nampitain’ny mpitarika, nizotra tam-pilaminana ny fivoriana, izay natao tao amin’ny Magro Mahajanga, na dia nodidinin’ny mpitandrofilaminana aza ny toerana.

Noho izay antony izay, nankasitraka manokana an’ireo tonga namaly ny antso ny filohan’ny RMDM Faritany, Andriamatoa Achim kely.

Jery todiky ny taona 2020 ary fiatrehana ny fanoherana amin’ny taona ho avy 2021 no nodinihana tamin’izany. Toy ny tany Toliara koa arak’izany dia “rendez-vous” amin’ny 2021, na hoe amin’ny taona ho avy 2021 indray ny fotoana, izany hoe afaka 3 andro sisa…