Fanampiana ireo kere noho ny fety – Fokontany miisa 40 no nahazo fanampiana tamin-dRavalo

Helisoa

Tontosa  soa amantsara  ny  fanamby  napetraky  ny filoha  Marc Ravalomanana, amin’ny  anampiany  ireo  havana  tratry ny  kere any Atsimon’ny Nosy: tamin’ny fetin’ny Noely  teo tany amin’ny kaominina Androka, distrikan’Ampanihy Andrefana, faritra Atsimo Andrefana, no nanaterana ireo fanampiana. Nahazo ireo fanampiana avy amin’i Dada sy ireo malala-tanana rehetra nanampy azy tamin’izany, ny tao amin’ny fokontany Ankilibory I sy faha-II any Androka, sy ny fokontany 5 manodidina.

Nitohy  ny alahady 27 desambra teo ny fizarana ireo fanampiana tany amin’ny kaominina Tongobory, distrikan’i Betioky Atsimo, faritra Atsimo Andrefana. Nahazo fanampiana tamin’izany ireo fokontany miisa 20 ao amin’ity kaominina ity, sy ny fokontany miisa 13 tao amin’ny kaominina Tamaintsoa, mbola ao amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo ihany.

Arak’izany dia fokontany miisa 40 tao amin’ny distrika miisa 2 any amin’ny faritra Atsimo Andrefana no nahazo fanampiana avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana, sy ireo malala-tanana rehetra nanampy azy tamin’izao fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao.

Nisolo tena  ny filoha Marc Ravalomanana  nanatitra  ny fanomezana tany an-toerana, ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina, ny mpikambana ao amin’ny birao politika Julien Andriamorasata sy Me Hery Andriatsima, teo koa ny avy amin’ny RMDM notarihan’ny filoha lefitra nasionaly avy amin’ny Faritanin’i Toliara Pasitera Edouard Tsarahame, ary ny avy amin’ny antoko TIM Toliara, notarihan’ny filohany Me Helisoa.

Rano, vary, menaka, savony, voamaina, akanjo, paty, vatomamy sy biscuits ho an’ny ankizy, sns… no natolotra tamin’izany,  izay fanomezana  avy aminy sy natolotry ny olona ho azy nandritra ny tsingerintaona nahaterahany ny  12 desambra lasa teo.

Teo ihany koa ny  vola sy zavatra rehetra azo tamin’ny hetsika tolotanana nokarakarain’ny tanora Tiako i Madagasikara sy ny tanora RMDM tao amin’ny Magro Behoririka .

Faly  ny filoha Marc Ravalomanana satria tonga soa amantsara tany amin’ireo mila azy ny fanomezana. Fanehoana firaisankina ho an’ireo havantsika izay ianjadian’ny kere, hoy izy no zavadehibe amiko. Vahaolana maharitra no tena ilaina ho azy ireo.  Ho an’ny filoha Marc Ravalomanana dia niavaka  ny   fankalazany ny  fetin’ny Noely,  fa  nitondra fitiavana  ho an’ireo Malagasy tratry ny kere tany atsimon’ny Nosy  izy,  mba hanalàna fahasahiranana azy ireo amin’izao  fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao ihany koa.

Faly tena faly ihany koa ireo mponina sahirana noho ny kere, nandray ny fanomezana: na ny zokiolona izany, na ny vatombatony, na ny tanora, na ny ankizy, tany amin’ireo fokontany miisa 40, tamin’ny distrika miisa 2 tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana ireo.