EDITO 29 Desambra – Fiainam-pirenena sy finoana – Manjaka eto amintsika ny dimbin’i Herôda

Ny Valosoa

Vita iny ny fankalazana ny “Noely” na “Krismasy”, tsy mampaninona izay iantsoana azy , fa ny zava-dehibe dia ny fahatsiarovana ilay vaninandro lehibe nahaterahan’i  Jesoa Kristy, zanak ’Andriamanitra tonga nofo , natera-behivavy  , nambara fa mpanjaka hamonjy ny fiainantsika  zanak’olombelona, ilay Mesia araka ny finoana kristiana.

Manan-tantara ny fahaterahan’i Kristy, satria teo amin’ny  tantaran’ny fivavahana  voarakitra tao amin’ny Testamenta taloha dia ilay Andriamanitra mpahary izao tontolo izao ihany no nivavahana, fa taorian’ny   nahaterahan’i Kristy dia teraka  koa ny fiovana satria , nisy indray ny nantsoina hoe “Ilay telo izay iray” dia  ny” Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina”,  ary niampy ny Testamenta vaovao indray ilay Testamenta taloha efa nisy, tsy mifamono ireo fa mifameno sy mifampitohy ary tao amin’ilay Testamenta vaovao no nisy ny  ” Filazantsara ” na “ Vaovao Mahafaly ”. Tsorina anefa fa nisy ireo nitsipaka tsy nanaiky an’i Jesoa Kristy ho zanak’Andriamanitra sady tsy nankatoa ny naha Mpanjaka azy.

Na izany na tsy izany, tsy azo fafana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny fahaterahan’i Kristy, satria ireo mpikaroka tamin’ny taranja samihafa dia samy manaiky ny fomba fandrefesana ny vanim-potoana niainga tamin’ny nahaterahan’i Kristy, izay neken’ny mpikaroka rehetra ho ”taona aotra” na “année zero”, ka ny taona 2020 izay madiva hifarana dia midika hoe 2020 taona i Kristy tamin’ny 25 Desambra teo, na ireo milaza ho tsy manaiky ny maha Mpanjaka  an’i Kristy aza rehefa manao tantara dia mitanisa toy ny hoe: 200 taona, na 500 taona, talohan’i Kristy, na 700 taona, na 1000  taona taorian’i Kristy, sns…

Tao an-tranon’omby tany Bethlehema, tany Palestina no teraka i Kristy, araka ny tantara diso fantatry ny rehetra, midika izany fa biby manana ny lanjany ny omby, ary isika malagasy teo amin’ny vanim-potoana samihafa dia manome hasina ny omby, ny Filoha Marc Ravalomanana manokana, raha nanangana ny orinasa Tiko dia mazava ho azy, fa mahatsapa ny lanjan’ny omby sy ny soa entiny toy ny ronono. Fa tsetsatsetsa tsy aritra atao anaty farango sosona no ampahatsiahivana, f’Ingahy Ben’ny tanàna Vazahabe, Naina Andriantsitohaina dia saika nototoin’ny omby tao amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana iray teto an-drenivohitra tamin’ity taona ity. Avelantsika eo iny resaka iny aloha.

Rehefa “Noely” na “ Krismasy” dia omena lanja be dia be ny ankizy, satria ny fahaterahan’i  Jesoa zaza no ankalazaina, dia mahazo vahana ny fanomezana kilalao sy famalifaliana manokana ny ankizy, kanefa  tsy tokony ho adinoina teo amin’ny tantara, fa manodidina ny fotoana nahaterahan’i Kristy dia maro ireo zaza menavava novonoin’i Herôda Mpanjaka lozabe, izay nandà ankitsirano, tsy nanaiky ny naha zanak’Andriamanitra an’i Jesoa zaza, mbola manjaka erantany ny dimbin’i Herôda ary tsy mandeha lavitra isika fa eto Madagasikara, matoa manjaka ny kere any atsimo, izay notsinontsinoavin’ny fitondrana Rajoelina teo am-piandohany, sy ny fanolanan-jaza etsy sy eroa, dia nisy ny tsy fandraisan’andraikitra avy amin’ireo izay mbola manaiky ny fomba fiadin’i Herôda: mizahozaho sy tsy miraharaha ny madinika, izay misy ataony tombo sy hala sy tsy ampitoviany ary mamono ny mitady hifaninanana na hisongana azy mihitsy toy ny ataon’ny mpitondra ankehitriny.