ITY NOELY ITY ANIE

Ity Noely ity anie mba ho Noely famonjena,
Ka ireo olon-tsy mitafy, mosarena, mahonena,
Dia hahazo izay lazaina fa hoe hanina sahaza,
Ka ho hainy ny hidera ilay Mpanjaka manan-daza.

Ity Noely ity anie mba ho Noely tena miavaka,
Ka tsy ho endrika ety ivelany no isehoan’ny mpivavaka.
Fa mba ho asa tena mendrika no irina hilofosany,
Ary hoezahiny ny hamita ireo adidy tsy tontosany.

Ity Noely ity anie mba ho Noely fihavaozana,
Ka ny toetra tsy mahomby dia avela sy ilaozana.
Ireo lazaina ho mpitarika, ireo ‘zay manan-tsai-maranitra,
Dia hanaiky indray hiverina, hankato an’Andriamanitra.

Ity Noely ity anie mba ho Noely fanafahana,
Ary hanaiky ireo mpitondra hampiato irony famitahana.
Ka ny teny izay lazainy, tena mba hotanterahiny,
Dia hifaly ny vahoaka fa ho foana ny ahiahiny.

Ity Noely ity anie mba ho Noely fampihavanana
Ary ireo izay nifandrafy, ho vonona hifanolo-tanana.
Dia ho samy resy lahatra fa ny mihavana no tsara
Sy hany lalana hampivoarana an’i Madagasikara.

SEDERA RAVALISON