Fikambanana Erikerika Madagasikara – Nanome sakafo krismasy, mpianatry ny EPP miisa 800 tany Faradofay

Helisoa

Toerana tsy tahaka ny mahazatra no nitodihan’ny fikambanana Erikerika Madagasikara tamin’ity taona 2020 ity, satria ankizy any amin’ny faritra Anôsy distrikan’i Taolagnaro kaominina Analapatsy, lavitra ny renivohitr’i Madagasikara no notsinjovina. Anjara biriky entin’ny fikambanana isan-taona ny fikarakaràna sakafo krismasy ho an’ny ankizy mpianatra amin’ny sekolim-panjakana.

Tamin’ity indray mitoraka ity dia ankizy mpianatra miisa 800 amin’ny EPP Analapatsy no nisitraka fiaraha-misakafo ny sabotsy 19 desambra lasa teo. Vola 1635000 Ar no nentin’ny fikambanana namatsiana ity sakafo krismasy ity. Nicolas Razafindrasambo, ray aman-dreny ao an-tanàna no nisolo tena ny fikambanana Erikerika Madagasikara tamin’izany, ary niara-nisalahy tamin’ireo tsara sitra-po tao an-toerana nandrindra ny fanomanana sy ny fizaràna ny sakafo.

Tanteraka soa aman-tsara ny lanonana ary manantena ny fikambanana fa nitondra fifaliana sy fankaherezana kely an’ireo ankizy, indrindra amin’izao kere mianjady any Atsimo izao.