Tsy fisian-drano – 27 km miala an’i Toliara dia efa ahitana kere

Aly

27 km miala an’i Toliara amin’ny lalampirenena faha-7 (RN7) iny dia efa ahitana kere noho ny tsy fisian-drano. Tsy manana rano fisotro ny mponina ao Ankororoka , distrikan’i Toliara faha-2, faritra Atsimo Andrefana, noho izay antony izay: na miandry rano avy amin’ireo kamiao mpitondra rano, na camion citerne mpitondra rano izy ireo, na maka rano amin’ny bisikileta any Toliara. Noho ny fahitana izay olana izay, nanome fitahirizan-drano, na citerne roa miaty 2000 litatra ny fikambanana Soleil Marmailles any La Réunion, izay manana solontena any Toliara an’i Mamitiana Razafimanantsoa. Ireo fitehirizan-drano 2 nomen’ny fikambanana ireo dia hahafahan’ireo mponina sahirana ireo mitahiry rano mandra-pandalon’ny kamiao mpitondra rano indray, izay indraindray afaka 5 andro vao mandalo, ka ireo mponina sahirana ireo ihany no mitantana izany rano izany, vidiany 1200 Ar ny bidon 2. Ny vola azo avy amin’izany indray avy eo no hividianana ny rano amin’ny kamiao tonga, mitentina 50000 Ar mahery ny vidin’io rano 2000 litatra ampiasain’izy ireo io. Ny rano dia natao handrahoana sakafo ihany, sy hisasan’ny ankizy. Maha-kere ireo mponina amin’ity tanàna ity koa ny tsy fahafahan’izy ireo mamboly noho ny tsy fisian-drano, ny asan’ny mponina dia maka kitay amin’ny fakan-kazo izay efa maty, efa ho lany koa anefa izany ankehitriny, ka miteraka olana amin’ireto mponina ampian’ny fikambanana Soleil Marmailles La Réunion, ao Ankororoka ireto.

(Sary: Ireo fitehirizan-drano 2, nomen’ny fikambanana Soleil Marmailles avy any La Réunion.)