Kaominina Alasora – Nanatanteraka ny Noely Mizara Fifaliana 2020

Helisoa

Tao amin’ny kianja maintso ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano, no nizara hafaliana ho an’ireo ankizy mpianatra sy ny mpampianatra tamin’ity krismasy 2020 ity ny fiadidiana ny tanàna. Nisy araka izany ny fiarahana niombom-bavaka notarihin’i Mompera Ferdinand. Tao anatin’izany no nizarana vatomamy sy kilalao ho an’ny mpianatry ny Lycée Tasc, CEG ALASORA, sy ny EPP 11 ao anatin’ny kaominina Alasora izay misy miisa 5500 notolorana fanomezana io.

Teo ihany koa ny fanomezana panier garni ho an’ireo mpampianatra rehetra, sy fankasitrahana ireo mpianatra mendrika indrindra tamin’ny fanadinana BACCALAURÉAT, BEPC, CEPC ary fanomezana boky ho an’ireo EPP rehetra, ny CEG, ary ny LYCEE. Ny ben’ny Tanàna Jimmy Randriantsoa, sy ny mpiara-miasa aminy rehetra dia mirary fety sambatra ho an’ny vahoakan’Alasora araka ny nambarany.