Toliara. Fanetsehana indray ny antoko – Irian-ko faty vao mainka lava velona ny TIM

Isambilo

Irian-ko faty vao mainka lava velona ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), hoy ireo rehetra nandaha-teny nandritra ny fihaonana ho fanetsehana indray ny antoko, na “redynamisation” an’ity antoko ity tany Toliara ny sabotsy tolakandro teo. Nitarika ny fihaonana tamin’izany ny filoha lefitra nasionalin’ny antoko avy amin’ny Faritanin’i Toliara Me Helisoa, notronin’ny avy amin’ny birao politika nasionalin’ny antoko avy aty Antananarivo, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ny mpandrindra nasionalin’ny antoko Jean Claude Rakotonirina, ny mpikambana amin’ny birao politika foibe Julien Randriamorasata sy Me Hery.

Nosoritan’ny filoha lefitra nasionaly Me Helisoa tamin’io fotoana io, fa velona sy miaina ny antoko TIM Toliara, porofon’izany: vory maro izy ireo tamin’io fotoana fotoana io, na tsy nisy zavatra nomena aza, fa tena vontom-poto-kevitra ireo mpikatroka ary tena manaraka fitsipika. Nomarihany fa ny antoko TIM dia manana hevitra tsara hitondrana ny firenena ary mahavita. Hialana hoy izy ny rafitra vonjy maika, ka hametraka rafitra maharitra miainga avy any ifotony izy ireo, ka hisy ny fifidianana ireo mpitarika hiainga avy any amin’ny fokontany, kaominina, distrika, faritra, ka hatramin’ny Faritany teo aloha. Ireo tian’ny be sy ny maro, tsy mivadibadika ary mahavita no hapetraka amin’ireo rafitra ireo. Ny tanora sy ny vehivavy dia efa tafapetraka ny rafitra amin’izany any an-toerana. Manana olona hoy izy ny antoko, izy ireo dia vonona hanofana ireo tanora, sy ireo vehivavy, hahay politika sy ho fiatrehany ny fiainana ihany koa. Amin’izay lafiny izay, isaky ny sabotsy tolakandro, misy ny fiofanana ho fanomanana tetikasa ho an’ireo tanora sy vehivavy.

Nilaza ny foto-diany tany Toliara kosa ny sekretera jeneraly nasionalin’ny antoko Rina Randriamasinoro. Mizara 2 ny tena foto-dian’izy ireo any an-toerana dia hanatitra ireo fanomezana ho an’ireo havana kere, voaray nandritra ny fetin’ny filoha Marc Ravalomanana ny 12 desambra lasa teo, sy ny azo nandritra ny tolo-tanana tao amin’ny Magro Behoririka. Ny faha-2 kosa dia fanetsehana indray ny antoko TIM, na “redynamisation”. Mahakasika ny raharaham-pirenena, nisy ny “doublons” tamin’ny fifidianana hoy Rina, fa nandefitra ny antoko mba tsy hisian’ny rà latsaka. Na izany aza, tsy hipetra-potsiny intsony amin’ny zava-misy ny antoko. Ny fahantrana lalina eto amin’ny firenena dia mahatonga ny ao amin’ity antoko ity, sy ny filohany Marc Ravalomanana mijoro, ka hanarina izay nopotehan’ny mpanongam-panjakana. Misy ihany koa hoy izy ny fanadihadiana Parlemantera ataon’ny loholona amin’izao fotoana: mahakasika ny resaka “doublons”, ny fiadiana nampidirina tamin’ny fomba tsy mazava teto,… Ny RMDM, ny TIM, ny Vondrona Panorama dia miara-manohitra izao fitondrana tsy mahomby misy ankehitriny izao. Haka fahefana isika noho izany, hoy izy, mba hahafahana hitondra fampandrosoana eto amin’ny firenena.

Fehiny, tsy ho menatra ianareo mijoro fa TIM hoy ihany i Rina. Nanazava ny momba ny fanetsehana indray, na ny “redynamisation” ny antoko ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina. Anisan’ny atao amin’izany hoy izy, ny fihainoana ny hetahetan’ny mpikatroka, sy ny tsikera, mba hahafahana hanatsara ny fitantanana ny antoko. Ny tena atao koa dia ny fampivondronana indray, sy ny fampihavanana ireo izay mety nisy disadisa teo aloha tao anatiny.