RMDM Toliara – “Rendez-vous” amin’ny janoary 2021

Isambilo

“Rendez-vous” amin’ny janvier 2021, na amin’ny volana janoary 2021 mifankahita, nanakoako izany nandritra ny fihaonana nataon’ny avy amin’ny vondron’ny antoko mpanohitra RMDM Toliara: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia any Toliara ny sabotsy atoandro teo, tao amin’ny Hotel Le Palétuvier.

Nanao fihaonambe ho fifanomezam-baovao tany an-toerana ny RMDM Toliara, nanotrona izany ny avy amin’ny RMDM foibe, nahitana ny filoha lefitra nasionaly avy amin’ny Faritanin’i Toliara Pasitera Edouard Tsarahame sy Tsianihy. Nambara tamin’izany fa hanao fihaonambe nasionaly any Toliara ny RMDM ny volana janoary ho avy izao io, satria efa misy ity fivondronamben’ny antoko mpanohitra ity avokoa ireo faritra miisa 22 eto amin’ny Nosy.

Ho an’i Toliara manokana, efa tafapetraka avokoa ny rafitra amin’ireo faritra 4 mandrafitra ny Faritanin’i Toliara teo aloha dia ny faritra Atsimo Andrefana, ny faritra Menabe, ny faritra Androy ary ny faritra Anôsy. Hisandratra ny RMDM amin’ny fiandohan’ny taona vaovao io hoy Pasitera Edouard, satria tsy misy mandeha amin’ny laoniny amin’izao fotoana ny fitantanam-pirenena ataon’ny mpitondra ankehitriny, tarihan’ny filoha Andry Rajoelina; miha-mahantra hatrany ny vahoaka, tsy ny any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara ihany, fa saika manerana an’i Madagasikara manontolo mihitsy izany. Tsy misy raha manjary eto amin’ny firenena, satria tsy sasatra ny mandika lalàna ny mpitondra. Ny fampiasam-bola mihodina any amin’ny tsy tokony halehany anaovan’ny fitondrana Rajoelina azy.

Nilaza ireo mpitarika ity fivondronan’ny antoko mpanohitra any Toliara ity, fa ho modely amin’ny fanoherana eto Madagasikara izy ireo, ho modely ihany koa amin’ny fanaovana politika ary tsy hijanona raha tsy azo ny fandresena. Noho izany dia ho tohizana hatrany ny “rodobe” any Toliara.