Antananarivo Renivohitra sy ny fety – Atoandro maimbo fako, alina mirenty jiro

Ny Valosoa

Atao filamatra hono ny ben’ny tanànan’Antananarivo (CUA). Tsy ho filamatra izay mihitsy anefa i Vazahabe, satria ny atoandro maimbo fako ny renivohitra amin’izao fotoana, fa ny alina no mirentirenty mirehitra jiro.

Notanterahina tamin’ny herinandro lasa teo ny fivorian’ny AMGVM (Association des Maires des Grandes Villes de Madagascar), na ny Fikambanan’ireo Ben’ny Tanàna avy amin’ireo tanàn-dehibe eto Madagasikara, nisy ny fifidianana ireo mpitantana vaovao ka voafidy ho Filoha ny Ben’ny Tanànan’Antsiranana, Filoha lefitra Antsirabe, Sekretera Jeneraly Fianarantsoa, Mpitambola Ambilobe, Mpitambola lefitra Taolagnaro, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra no Filohamboninahitra miahy ny fikambanana. Nanambara Ingahy Mera, fa vonona hizara ny traikefa sy hifanampy amin’ireo Kaomina an-tanàndehibe hono ny Cua, roa taona ny fotoampiasan’ny birao mitantana ny fikambanana.
Tena ilaina ny fifanampiana eo amin’ny samy kaomina eto amintsika, saingy toa ho diso fanantenana ihany ireo tanàn-dehibe ivelan’Antananarivo, raha miantehitra amin’izay nambara fa traikefan’Ingahy Vazahabe.

Misy ny fitenintsika malagasy manao hoe ny toky fitaka fa ny atao no ho hita, satria iaraha-mahita toy ny tafika andrefan-tanàna ny zava-misy eto Antananarivo nandritran’izay herintaona nitondran’Ingahy Vazahabe izay, fa tsy lavorary ny fandraofana ny fako, izay nilokalokana fatratra tamin’ny fampielezankevitra, Ingahy Filoha dia nahavita nandika lalàna mihitsy tamin’ny fampielezankevitra, nanambara fa hahomby ny fampandrosoana eto Antananarivo raha Ben’ny Tanàna miaraka amin’ny fitondrana hono no voafidy eto Antananarivo Renivohitra, efa ho herintaona izao no nitondra Ingahy Vazahabe, kanefa dia iaraha-mahalala ny laharana misy ny Tanànan’Antananarivo eo amin’ny fahadiovana, indrisy fa voasokajy ho tanàna voretra indrindra eran-tany ny renivohitsika.

Mikasika ny lalana ivezivezen’ny mponina indray dia mampisitri-belona satria lalana feno lavaka no misy eto Antananarivo, miteraka fitohanan’ny fiarakodia, nisy ny fampanantenana natao fa amboarina hono ny lalana mandritra ny fotoanan’ny fihibohana, kanefa vita ihany iny ny fihibohana tsy hita izay lalana vita.

Raha mikasika ny fandaminana ny tsena indray dia ny fandravana ny tsena fiveloman’ny olona no nampalaza an’Ingahy Vazahabe, nampalahelo fa tsy nananan’Ingahy Ben’ny tanàna antra ireo fotodrafitrasa nisasaran’ireo mpivarotra izay hita ihany koa fa nanome endrika ny tanàna, fa dia notrongisina manta fotsiny izao, mikasika ny tsenan’i Zaimaika izay simban’ny orana ny tafony, dia azo hambara ho nahita faisana ny mpivarotra ao, satria efa ho herintaona tsy mbola vita hatramin’izao ny fanarenana ilay Zaimaika, ny andro fety anefa ity efa tonga, ary ny fahavaratra ihany koa efa migadona, tsy mendrika an’ilay tsena intsony ny anarana hoe Zaimaika fa dia Zaimitarazoka na Zaimitavozavoza no tokony hiantsoana azy, tsy misy ny fahadisoana avy amin’ireo mpivarotra na dia kely aza fa dia ireo mpitantana mihitsy no tsy hita ho antenaina.

Ka raha nisy ny resaka hoe haka traikefa amin’Ingahy Ben’ny Tanàna voafidy teto Antananarivo Renivohitra, ireo ben’ny tanàna mpikambana ao amin’ny AMGVM dia traikefan’ny tsy fahombiazana no ananan’Ingahy Vazahabe, tsy amin-kilao fa aman-taonina mihintsy, ary mikasika ny fiheverana ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra ho filamatra dia hevi-diso ihany, satria mampanongo-tena, fa ny havoretrana no isongadinan’ny tanàna ankehitriny, tsy vitan’izany ihany koa, fa lasa mpanao ady antsanga ity natao ho filamatra, porofon’izany ny nanenjehany an-dRamatoa Raharinirina Clémence teny amin’ny fitsarana amin’ny resaka tsy dia manao ahoana loatra.

Ny ankabeazan’ireo ben’ny tanàna voafidy farany teo koa anie dia olona avy amin’ny antokon’ny fitondrana, ka azo inoana, fa mety amin’izy ireo ny tsy fahombiazana misy eto Antananarivo Renivohitra, satria ny fanarahana ny baikon’ny antoko no mety ho laharampahamehana ho azy ireo, fa tsy ny fampandrosoana ny tanàna.