EDITO 24 Desambra – Fiatrehana ny fety – Manamboatra saina sisa no ataon’ny vahoaka

Radafy

Miditra tanteraka amin’ny vaninandro lehibe amin’ny fety kristiana isika ankehitriny, dia ny andro krismasy izany, izay higadona afaka ora maromaro sisa. Andro fety izay hamalifaliana ny ankizy, ka ividianana izay mahafinaritra azy, toy ny akanjo vaovao sy kilalao mbamin’ny mofo na vatomamy. Ny rehetra no tokony hiatrika izay raha mijery manokana ny zava-tsoa tsy hita pesimpesenina nomen-janahary an’ity Nosy ity. Tsy izay anefa no zava-misy.

Fanamby napetraky ny fitondrana ankehitriny, izay teo amin’ny toerana roa taona latsaka kely monja izao, dia hanandratra an’i Madagasikara. Tsy izay anefa no zava-mitranga, ary iaraha-mahita, fa zary lasan-ko vavany fotsiny ihany izany hatreto. Manaporofo izay, ny tatitra nataon’ny banky iraisam-pirenena farany teo, izay navoakan’ny fitaovan-tserasera maro samihafa andro vitsy lasa izay. Nitombo ny tahan’ny fahantrana eto amin’ny firenena. Io tarehimarika io, dia voalaza fa anisan’ny ambony tamin’ity taona ity. Azo heverina izany, fa ny vahoaka Malagasy no voa mafy indrindra ary niha-nahantra niohatra amin’ny hafa. Mazava loatra fa ny sarambabem-bahoaka no tena voakasik’izany, fa tsy ny Malagasy rehetra ary tsy ao anatin’izany ihany koa ireo teratany vahiny vazaha frantsay, karana, sinoa, sns… Ireo ilay vitsy an’isa, olom-bitsy mpanefoefo eto amin’ity firenena ity mangorona ny harem-pirenena eto isan’andro ary migalabona fiadanam-be. Ireo ilay olom-bitsy zary toa maneso lava ilay vahoaka mitrongy vao homana ary ny hanina anio mbola ankibon’ny ny omby.

Amin’izao vaninandro izao indrindra no iavahan’ny manana mpanefoefo sy ny ory. Mangasihasy ny zanak’ity farany mijery ny famirapiratry ny akanjo itafian’ny zanaky ny mpanana sy ny kilalaony. Tsy maintsy manao odian-tsy hita tsy hampitaha ny sakafo eo am-biliany sy ny any an-dapan’ny mpitondra ambony rehetra any. Tsy maintsy manamboatra saina.

Izany zava-misy izany, tsy ananan’ny fitondrana ankehitriny vahaolana maika sy mahomby ao anaty fotoana fohy, fa ny idedahana zavatra hafa, tsy mampisondrotra ilay fiainam-bahoaka hihatsara kokoa no ataony. Raha ratsy ny fiainam-bahoaka, ohatra, tamin’ny taon-dasa, dia tsy tokony ho izay ny tamin’ity taona ity. Tsy mitombona ary tsy azo raisina, araka ny fitenin’ny mpiandany amin’ny fitondrana, ny fialàna bala amin’ny fisian’ny valanaretina, satria raharaha notadiavina ny azy iny. Ary raha miseho babany noho ny rehetra teo aloha, dia vao mainka miharihary ny tsy fahombiazana. “Aleo miadan-ko reniny, toy izay mitsatsaingo-ko vantony”, hoy ny fitenenana. Ny mitsatsaingoka anefa no teny re matetika eto amin’ity firenena ity hatreto. Iaraha-mahita ny zava-nisy tao anatin’izay volana maro tanaty krizim-pahasalamana izay ary izao iaraha-miaina izao ny vokany, fahantrana mitombo. Ary mbola hitombo io, tsy manozona akory, fa tsy vitan’ity fitondrana ity velively ny miahy ny vahoaka Malagasy manontolo eto amin’ity firenena ity, niaraha-nahita tsara izany. Misy aza mbola “darohany” ny fihariany sy ny hany mba fivelomany, hahapotika ny fiainany.