Filoha Marc Ravalomanana – Nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha tany Soavinandriana

Helisoa

Taorian’ny tsy nisian’ny hamehana ara-pahasalamana intsony teto amin’ny firenena dia voalohany ny filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sady filohan’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara (RMDM), Marc Ravalomanana no nandeha nitety faritra ary nihaona mivantana tamin’ny tantsaha. Nomeny lanja manokana tamin’izany ireo tantsaha mpamboly, ka nitsidika ireto farany tany Soavinadriana, faritra Itasy ny tenany omaly.

Nofidiany manokana Soavinandriana, noho ny habetsahan’ireo tantsaha mivelona amin’ny fambolena amin’iny faritra iny. Ny tantsaha mantsy no anisan’ny nahatsiaro nangirifiry indrindra ihany koa tamin’ireny hamehana ara-pahasalamana teto amin’ny firenena ireny. Ny mahagaga dia tsy nataon’ity fitondràna TGV ity ao anatin’ny laharam-pahamehany ny resaka fambolena sy fiompiana, fa any amin’ny zavatra hafa no mahamaika azy.

Toy izany no nitranga teny Ambohitrimanjaka. Soa ny mpamboly teny amin’iny lemaka iny fa nandà tamin’ny heriny rehetra ny hanotofana ny tanimbary teny an-toerana, izay efa ho 1000ha. Ny 80 % ny Malagasy dia mpamboly sy mpiompy avokoa, nefa lasa farahidiny eto amin’ny firenena ny fijeren’ny fitondrana azy ireo amin’izao fotoana.